Sarobidy ny aina koa aoka tsy hatakalo vola na akanjo na satroka na rindran-kira na fanentanana hafa, satria io no sarobidy indrindra amin'ny fanomezana nomen'Andriamanitra antsika, miampy ny fahasalamana. Tokony homalina hatrany isika satria maro ireo teti-dratsy manosika antsika samy Malagasy ho any amin'ny ady an-trano. Endrika famosaviana ny mpiray tanindrazana ny ezaka fanakorontanana, mety hataon'ny andaniny na ankilany koa samia mindanjalanja ny hatao...

Efa betsaka ireo voka-dratsin'ny fifanandrinana nisy teto amin'ny firenena koa aoka ho sorohina izany. Isaorana ireo Zezoita teo aloha, nahasahy nijoro tamin'ny hevitra Mopera Rémi Ralibera sy Mopera François Paul, izay nanao ny ezaka nihaona tamin'ny tompon'andraikitra sasany mba hiala amim-pilaminana fa tsy hanohitra na hiady ny taona 1991 sy 2002, ho tombontsoan'ny firenena.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...