Misy roa karazana ny hetra : ny ara-pinoana sy ny ara-panjakàna, izay isan'ireo tokony arahina maso mba ho ara-dalàna ny fampiasana na fitantanana ireny. Ny fiangonana katolika dia sarotiny amin'ny fitantanana ny vola misy eo amin'ny fiangonana, omena famaizana izay manao ny tsy rariny. Manana adidy isika rehetra handoa ny hetra ara-pinoana sy ny hetra ara-panjakana toy ny sara sy haba, hetra trano sy tany, ny hetra ara-tsôsialy... Ny hetra dia isan'ny fomba azo hiarovana ny aina raha toa ka mandray an-tanana izany ny fanjakana mba ho fitsinjovana ny ain'ny hafa. Ny hetra sy ny fandoavana azy dia miteraka fandrosoana ho an'ny tanàna na faritra na ny fanjakana manontolo...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...