23 febroary — I Polycarpe dia eveka tao Smyrne nandritra ny taona maro ary maty martiry. Niaina teo anelanelan'ny taona 80 hatramin'ny taona 167 izy. Ny tantarany no tranainy indrindra aorian'ny tantaran'i Masindahy Étienne raha ireo martiry no resahana ary ny fety fahatsiarovana azy no vaninandro nankalazaina voalohany fahiny.

Nolazaina fa nahalala an'i Masindahy Joany Evanjelista i Polycarpe ka io no nanendry azy ho evekan'i Smyrne. Nandritra ny naha evaka azy dia niezaka izy tamin'ny fampifandraisana ny Eglizy Tatsinanana sy ny Tandrefana. Nanana ny finoana sy ny fitiavana an'Andriamanitra izy ka tsy voahozongozona na dia niaina tao anatin'ny fanenjehana aza. Nasehony tamin'ny mpanaraka hevi-diso ny finoany ary nalemy fanahy izy indrindra ho an'ireo mpananontena sy ireo andevo, tsy mba nanavakavaka i Polycarpe. I Masindahy Irénée no mpianany ka nitantara izay zavatra niainany.

Nandritra ny fanenjehana nataon'i Marc Aurèle no nisamborana an'i Polycarpe, 86 taona izy tamin'izay. Fantany fa hisambotra azy ny mpanenjika ka niafina tao amin'ny tanimboly iray izy, nisy nanoro anefa ny toerana nihereny ka tonga tao ny miaramila haka azy. Vao nahita izany ireo vahoaka mpanompo sampy dia nihorakorakoraka ny mba hamonoana azy, tamin'izay indrindra no nanerena an'i Polycarpe handà ny finoana an'i Kristy fa hoy izy: "86 taona no nanompoako an'i Kristy ary nanao soa ahy hatrany Izy ka inona no antony handavako ny Mpamonjiko sy ny Mpanjakako ankehitriny? Krisitianina aho, ka raha te hahafantatra ny fiekem-pinoako dia mifidiana andro iray hihaonana amiko sy hihainoana ahy". Dia nohelohina ho dorana velona izy ary mbola nivavaka izy talohan'ny namonoana azy ho martiry.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...