27 marsa — Teraka tao Tel-Sheba, akaikin'i Édesse izany hoe i Urfa ao Turquie amin'izao fotoana izao. Nohamasinina ho diakra tamin'ny taona 321. Marihana fa ity tanana niainan'i Habib ity dia noheverin'ireo silamo Turcs fa i Uhr teo aloha izany hoe ny tananan'i Abrahama Patriarka.

Nohenjehina i Habib raha nitory ny Vaovao Mahafaly tany ambanivohitra sy nankahery ireo kristianina tsy hivadika tamin'ny finoana. Tamin'izany fanenjehana izany dia niafina izy aloha, fa avy eo dia nitolo-tena tany amin'ny fitsarana ka nohelohina ho doram-belona. Marihana fa tamin'ny fotoana nanjakan'ny amperora Licinius no niaina i Habib. Tena fampijaliana mahatsiravina no nataon'ireo tsy mataho-tody an'i Habib sy i Samonas ary i Gurias satria izy ireo koa dia isan'ireo kristianina izay maty martiry tamin'izany fotoana izany.

Raha ny fampijaliana azy ireo no hotantaraina fohy, dia nisy ireo nahantona tamin'ny tanany iray ary nohidiana tao an-tranomaizina tsy nahita mazava mihitsy nandritra ny telo volana. Tao ireo notapahan-doha ary isy ireo nahantona teo ambonin'ny kitay handorana azy ary nasiana kofehy ny vavany ka rehefa mitsetsatsetsa ny afo dia mora ho azy ireo ny miala aina. Fasana iray ihany no nandevenana an'i Habib sy i Samonas ary i Gurias na tsy nitovy aza ny fotoana namonoana sy nandorana azy ireo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...