27 marsa — Teraka tao Tel-Sheba, akaikin'i Édesse izany hoe i Urfa ao Turquie amin'izao fotoana izao. Nohamasinina ho diakra tamin'ny taona 321. Marihana fa ity tanana niainan'i Habib ity dia noheverin'ireo silamo Turcs fa i Uhr teo aloha izany hoe ny tananan'i Abrahama Patriarka.

Nohenjehina i Habib raha nitory ny Vaovao Mahafaly tany ambanivohitra sy nankahery ireo kristianina tsy hivadika tamin'ny finoana. Tamin'izany fanenjehana izany dia niafina izy aloha, fa avy eo dia nitolo-tena tany amin'ny fitsarana ka nohelohina ho doram-belona. Marihana fa tamin'ny fotoana nanjakan'ny amperora Licinius no niaina i Habib. Tena fampijaliana mahatsiravina no nataon'ireo tsy mataho-tody an'i Habib sy i Samonas ary i Gurias satria izy ireo koa dia isan'ireo kristianina izay maty martiry tamin'izany fotoana izany.

Raha ny fampijaliana azy ireo no hotantaraina fohy, dia nisy ireo nahantona tamin'ny tanany iray ary nohidiana tao an-tranomaizina tsy nahita mazava mihitsy nandritra ny telo volana. Tao ireo notapahan-doha ary isy ireo nahantona teo ambonin'ny kitay handorana azy ary nasiana kofehy ny vavany ka rehefa mitsetsatsetsa ny afo dia mora ho azy ireo ny miala aina. Fasana iray ihany no nandevenana an'i Habib sy i Samonas ary i Gurias na tsy nitovy aza ny fotoana namonoana sy nandorana azy ireo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...