16 aprily — I Benoît-Joseph Labre dia teraka, tao Amettes tanana kely tao Artois, ny 26 marsa 1748. Izy moa dia maty Tao Roma ny 16 aprily 1783. Lahimatoa amin'ny zaza 15 nateraky ny ray aman-dreniny i Benoît-Joseph.

Zanaka tantsaha izy, ary teo amin'ny faha-12 taonany izy no noraisin'ny curé tao Érin mba hihofana ho pretra. Rehefa maty io dia nankany Conteville indray izy, ary tao no niainany ny hoe famolahan-tena sy ny vavaka ary indrindra ny fanajana ny Sakramenta Masina. Naniry mafy ny mpitoka-monina mantsy izy ary efa inenina izy no tany amin'ny monasitera, fa ny ho pivahiny masina no tena fiantsoana ho azy. Nankany Roma izy, ary tsy mba niantrano fa dia natory an-dalana hatrany, natory ankalamanjana. Nandeha an-tongotra nandritra ny 25.000 kilometatra izy, namakivaky an'i France, Italie, Allemagne, Pologne, Suisse sy Espagne rehefa avy tao Roma. Niverina tao Roma indray izy ny taona 1775, niakanjo vorokitsay ary naharitra nivavaka tao am-piangonana nandritra ny ora maro. Izy dia tsy mba mangataka, fa mandray izay omena azy. Ny Alarobia Masina taona 1783 dia hitan'ny olona torana teo anolonan'ny fiangonana Sainte-Marie-des-Mont izy rehefa avy namonjy ny Sorona Masina ary nentina teo amin'ilay mpivaro-kena namany. Ora vitsy taorian'izay dia nodimandry. Fotoana kely taorian'izay dia maro ny tao Roma no tonga nanotrona sy nanome voninahitra ilay modelin'ny fahamasinana ary noheverina fa mpiaro ireo mpivahiny masina.

Rehefa tojo olana izy, ny valin-tena na vahaolona tonga ao an-tsainy avy hatrany dia ny hoe : "Ho tanteraka anie ny sitrapon'Andriamanitra". Rehefa mandeha manirery mantsy izy dia tsy mifanerasera aman'olona loatra. Miaina irery, mandeha an-tongotra hatrany, mitady ny toerana masina ho hajaina. Miakanjo rovitra sy vorokitsay izy, ary tsy mba misolo mihitsy izany. Ny sapile iray eny an-tanany, ny iray hafa eny am-bozonany, ny hazofijaliana eo an-tratrany ary haron-kely misy izay kely anananany eo an-tsorony. Ny fananana lazaina eto dia ny Testamenta Vaovao, ny Fianarana an'i Jesoa Kristy ary ny bréviaire, ireo no entiny mandritra ny fivahinianana masina nataony ; ka na ny orana, na ny hatsiaka, na ny ranomandry, na ny hafanana dia tsy misy mahasakana azy. Matory eny ankalamanjana izy matetika, ary ny fiantran'ny olona no ivelomany isan'andro vaky. Tsy manana fiandry izy ho an'ny ampitso, izay tena ilainy isan'andro ihany no sakafo raisiny. Eny an-dalana eny dia ataon'ny olona fanalana andro izy, arabian'ny olona, ary misy àry mijery azy ho tsinontsinona mihitsy ary tsy misy fotony. Nijaly izy tamin'izany fa niainany tamim-paharetana sy fitiavana ireny rehetra ireny. Ny tao Roma, ny tany Lorette sy ny tany Assise no anisan'ireo toerana masina izay nanehoany ny fanajana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...