11 mey — I Masimbavy Estelle dia romanina ny rainy ary légat tao Saintes. Niana tany amin'ny taonjato voalohany tany izy io. Rehefa avy nihaino ny fampiananran'ny Masindahy Eutrope izy, eveka voalohany tao Saintes, dia nangataka atao batemy ary lasa mpianany.

Nolaviny ny rendrarendra sy ny voninahitr'izao tontolo izao. Rehefa tsy nety nandà ny finoana izy dia ny rainy ihany no namono azy, nanao izay fara heriny mantsy ny rainy mba hialan'i Estelle tamin'ny fivavahana kristianina, sy hivadika amin'ny toky nomeny an'Andriamanitra fa hitana ny fahavirijiniana, tsy nanaiky anefa i Estelle. Rehefa tsy nahomby ny fandresen-dahatra nataon-drainy, dia izy mihitsy no nanapaka ny lohany tamin'ny famaky. Nalevina tao akaikin'i Md Eutrope i Estelle. Ny taona 1655 no nambara ho martiry, tao amin'ny boky fivavahana, tao amin'ny trano fitokana-monina Md Eutrope, ny anaran'i Estelle, ary nohamarinin'i Mgr Thomas, eveka tao Saintes tamin'ny taonjato faha-19 izany. Voalaza fa taloha dia izy no noraisin'ny tanora ho mpiaro azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 septambra 2026

• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...