18 jolay — Zafikelin’i Radbod i Frédéric. I Masindahy Richfried no nanabeaza azy, eveka tao Utrecht izy io. Nohamasinina ho pretra izy ary fanta-daza tamin’ny fifehezan-tena mafy. Nolaviny ny fifidianana azy ho eveka tao amin’ny diosezy.

Ny olona tao Frise anefa nahafantatra tsara sy tia azy, indrindra fa tamin’ny hafanam-po tamin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly sy ny fahaizany mampianatra. Izay indrindra no nahatonga an’i Louis le Pieux niangavy azy mba hanaiky ho eveka tao Utrecht izay toerana banga hatramin’ny nahafatesan’i Richfried. Ny taona 1820 i Frédéric no nandimby an’i Masindahy Richfried.

Niaina tao amin’ny lapan’i amperora Louis le Pieux, zanak’i Charlemagne, izany i Frédéric. Nanana andraikitra lehibe tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ny amperora izy tamin’izany, mandram-pahatongan’ny fotoana nampakaran’ny amperora an’i Judith de Bavière. Nanan-janaka lahy izy ireo ilay nantsoina hoe Charles le Chauve. Namporisihan’ny reniny moa izy io hitaky ny anjara fananany sy ny lovany ka tonga adin’izy mianaka. Izany hoe ny adin’i Charles sy Louis. Tsy zakan’i Judith ny fanamarihana nataon’i Frédéric ny amin’ny fitondran-tena tsy mety ataony ka nankahalain’i Judith fatratra io eveka io. Ka izany indrindra no nanirahany olona hamono ity eveka ity rehefa avy nanolotra ny Sorona Masina ny 18 jolay 883. Mbola afaka namela ny helok’ireo namono azy i Frédéric talohan’ny nialany aina.

Nandray anjara tamin’ny kônsily tao Mayence ny 829 i Frédéric, ary tamin’izany no nanazavany ny fitsipiky ny fanambadiana kristianina. Nanohy ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly niaraka tamin’i Adulf tany avaratr’i Utrecht izy. Nanohitra ny hevitr’i Arius sy ireo hevitra mivohy ny mahamety ny fanambadian’ny mpihavana. Namangy tsy tapaka ny kristianina tao amin’ny dioseziny izy, ary nitondra fanasitranana sy fanohanana ara-panahy na ara-pitaovana indrindra fa ireo tany amin’ny nosy Walcheren izay nanjakan’ny fitondran-tena tsy mendrika. Nanoratra boky momba ny fiekem-pinoana izy, izay namintina ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny Trinite Masina. Ho azy moa no nanoratan’i Raban Maur ilay momba an’i Josué ny taona 834. Matetika dia aseho aminy sarina lehilahy miaraka amin’ny sabatra roa izay mitrobaka eo amin’ny vatany i Masindahy Frédéric.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...