22 ôktôbra — Teraka ny 18 mey 1920 tao Wadowice tao Cracovie, Pologne i Karol Józef Wojtyła. Zanaka lahy faharoa an'i Emilia Kaczorowska sy i Karol Wojtyła izy. Ny 20 jolay 1920 no natao batemy i Karol Józef Wojtyła. Teo amin'ny fahasivy taonany izy no nandray ny Kômonio voalohany ary teo amin'ny fahafito ambin'ny folo taonany no nandray ny Fankaherezana.

Tao aorian'ny ady lehibe faharoa, rehefa nisokatra ara-dalana ny seminera dia sady niofana tao amin'ny seminera izy no nianatra tao amin'ny oniversite Jagellonne indray hatramin'ny nanamasinana azy ho pretra ny 01 nôvambra 1946. Avy eo izy, nalefan'ny kardinaly Sapieha, hanohy fianarana tany Roma, ary nandritra izany no naha mpitantana am-panahy azy ho an'ireo mpifindra monina polonais avy any France sy Pays-Bas. Niverina tany Pologne indray izy avy eo, ary nanampy tamin'ny fitantanana ny fiangonana maro sy ny mpianatra teny amn'ny oniversite hatramin'ny taona 1951, izay fotoana nanohizany ny fandalinana ny filôzôfia. Ny 04 jolay 1958 moa i Karol Józef Wojtyła no notendren'ny papa Pie XII ho eveka mpanampy tao Cracovie, ka ny 28 septambra 1958 izy no nohamasinina ho eveka tao amin'ny Cathédrale du Wawel tao Cracovie. Ny 13 janoary 1964 izy no voatendry ho arseveka tao Cracovie, ary ny papa Paul VI no nanome azy ny laharana maha kardinaly ny 26 jona 1967. Nandray anjara mavitrika tao amin'ny Kônsily Faharoa tao Vatican izy ary ny 16 ôktôbra 1978 no voafidy ho papa, teo amin'ny fahavalo amby dimampolo taonany, ka nitondra ny anarana Jean-Paul II, ary napetraka tamin'ny fomba ôfisialy ny 22 ôktôbra 1978. Nanatontosa io andraikitra io nandritra ny enina amby roapolo taona sy dimy volana ary valo ambin'ny folo andro i Jean Paul II. Nodimandry izy ny 02 aprily 2005, tao Vatican, ary nasandratry ny papa Benoît XVI ho olontsambatra ny 01 mey 2011. Ny 27 aprily 2014 kosa no nambaran'ny papa François tao Roma fa olomasina i Jean Paul II.

I Jean-Paul II no papa faha-263 nandimby an'i Masindahy Pierre, izany hoe izy no papa faha-264. Izy no papa fahatelo naharitra indrindra tamin'ny fitantanana ny Fiangonana tao aorian'i Masindahy Pierre sy ny papa Pie IX. Nandritra ny fotoana nahateo amin'ny Fiketrahana Masina azy dia efatra amby zato ny fitsidihana apôstôlika nataony ivelan'i Italie ary enina amby efapolo amby zato ny tao amin'io firenena io. Izany hoe nahatratra dimampolo sy roanjato izany. Amin'ny maha evekan'i Roma azy dia fito ambin'ny folo sy telonjato amin'ny paroasy telo amby telopolo sy telonjato ao amin'ny diosezy no notsidihiny. Maro ireo vahoakan'Andriamanitra sy tompon'andraiki-panjakana noraisiny, anisan'izany ny fandraisany ny Audiences générales isaky ny alarobia izay miisa enina amby enimpolo amby zato sy arivo, ka mpivahiny masina mihoatra ny enina hetsy sy fito ambin'ny folo tapitrisa no tonga tamin'izany. Tsy isaina ireo hetsika manokana toy ny fankalazana jobily. Valo amby telopolo ny fitsidihina ôfisialy nataony. Nisy ny fihaonana nataony tamin'ireo Filoham-panjakana izay nahatratra valo amby telopolo sy fitonjato. Ny fihaonany tamina praiministra dia nahatratra enina amby efapolo sy roanjato.

Ny papa Jean-Paul II ihany koa no nanomboka ny Andro eran-tany ho an'ny tanora, noho ny fitiavany manokana ny tanora, ny taona 1985. Nijery manokana ny pastôralin'ny fianakaviana ihany koa izy. Izy no nampisy ny fifanakalozan-kevitra tamin'ny Jody sy ireo mpitondra fivavahana hafa. Nanamarika ny nitantanan'ny papa Jean Paul II ny Fiangonana ny fidirana tamin'ny Jobilin'ny taona 2000, ka nanomezany ireo sori-dalana pastôraly hidirana amin'ny taonarivo fahatelo. Nanamarika izany ireo taratasy apôstôlika "Tertio Millenio Adveniente" sy ny "Nuovo Millenio Ineunte". Nandritra ny naha dimbin'i Pierre azy dia lanonam-bavaka fanandratana olontsambatra fito amby efapolo amby zato no notarihany ka miisa valo amby telopolo sy telonjato sy arivo ny olontsambatra tamin'izany. Ary fombam-pivavahana fanandratana olomasina iraika amby dimampolo ka olomasina roa amby valopolo sy efajato no nambara tamin'izany. Roa amby telopolo sy roanjato ny kardinaly notendreny tao anatin'ny "consistoires" sivy nandritra ny naha papa azy, ka ny iray tamin'ireo kardinaly ireo dia "In pectore", izany hoe tsy notononina ampahibemaso ny anarany. Sinaodin'ny eveka dimy ambin'ny folo no notarihany, nisy ny "Assemblées plénières" enina, "Assemblée générale extraordinaire" iray, ary "Assemblées spéciales" valo.

Ho an'ny fampianarana dia nahatratra efatra ambin'ny folo ny "Encycliques" natolony ny vahoakan'Andriamanitra. Dimy ambin'ny folo ny "Exhortations apostoliques", iraika ambin'ny folo ny "Constitutions apostoliques" ary dimy amby efapolo ny "Lettres apostoliques". Izy no namoaka ny "Katesizin'ny Fiangonana Katôlika" amin'ny endriny ankehitriny, araka ny lovam-pinoana sy ny fahefana avy amin'ny Kônsily Vatikana II. Izy ihany koa no nitondra fanavaozana tamin'ny lalan'ny Fiangonana na ny "Code de droit canonique" "latin" sy "oriental". Miisa dimy ny boky nosoratany. Marihana fa miisa telo tapitrisa ireo olona tonga niondrika sy naneho fanajana an'i Jean-Paul II tao Roma, nandritra ny fiandrasana ny razana teo am-bohitra. Ny 28 aprily 2005, roapolo andro tao aorian'ny nandevenana azy, dia nambaran'ny papa Benoît XVI fa azo atao ny fanadihadiana ho amin'ny fanandratana azy ho olontsambatra ka natomboky ny kardinaly Camillo Ruini izany ny 28 jona 2005.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...