15 nôvambra — Teraka ny 1193 tao Lauingen tao Souabe i Masindahy Albert. Albrecht von Bollstädt no anarany fa Albert le Grand no iantsoan'ny maro azy. Izy no nampiditra tao amin'ny oniversite tao Europe ny fahalalana sy ny fikarohana grika sy arabo.

Rehefa avy nandalina haisoratra sy ny fitsaboana tany Italie avaratra izy, tany Venise sy tany Padoue, dia niditra tao amin'ny fikambanan'ny dôminikanina ny taona 1223, tao Padoue ihany io. Nandalina ny téôlôjia izy, ary nampianatra tao Cologne nanomboka ny taona 1228. Ny asany voalohany dia ny famakafakana an'i Pseudo-Denys l'Aréopagite. Nampianatra tany Hildesheim, tany Fribourg-en-Brisgau, tany Strasbourg sy tany Paris i Albert, ary tany no nahazoany ny andraikitra ho "Maître de théologie" ny taona 1245. Mpianatr'i Albert tany Paris sy tany Cologne i Thomas d'Aquin. Nanintona an'i Albert sy nifotorany ny famakafakana ny asa soratr'i Aristote sy i Ibn al-Haytham. Voalaza fa i Albert no nanorina tao Cologne, ho an'ny fikambanana dôminikanina tamin'ny taona 1248, ilay sekoly ambony momba ny teôlôjia, ary izy no nitantana izany hatramin'ny taona 1254. Tamin'io taona io ka hatramin'ny taona 1257, dia voafidy ho lehiben'ny fikambanana izy, ka tamin'izany no nanaovany, an-tongotra, ny fitsidihana ireo ankohonam-piainana miisa dimampolo eo ho eo.

Ny taona 1257 izy no niverina nampianatra tany Cologne indray. Roa taona tao aorian'io, izany hoe ny taona 1259, niaraka tamin'i Thomas d'Aquin sy ireo rahalahiny tao amin'ny fikambanana izy, nandrindra sy nanomana ny fandalinana ny fianarana ho an'ireo mpikambana tao amin'ny Odre des Prêcheurs. Herintaona tao aorina'izay izy dia notendren'ny papa Alexandre IV ho eveka tao Ratisbonne. Telo taona ihany anefa no nanaovany io andraikitra io, fa nangataka tamin'ny tamin'ny papa Urbain IV izy mba hitsahatra amin'izany andraikitra izany. Niverina nampianatra izy tao aorian'ny fankatoavan'ny papa io fangatahany io, ka tany Wurtzbourg ny taona 1264, tany Strasbourg ny taona 1267 ary tany Cologne ny taona 1270. Nanoratra encyclopédie i Albert, nahitana boky enina amby roapolo izy io, ka ny fito, nahafantarana ny biby rehetra sy ny fiainany, izay hita ao Europe, na manidina io, na mandady, na ny biby kely sy ny sisa ihany koa. Ary ny boky sivy ambin'ny folo kosa, namakafakany sy nanakianany ny asa soratr'i Aristote. Nisy ihany koa ny momba ny zava-maniry sy ireo singa mineraly. Ny taona 1274, nandray anjara tamin'ny kônsily eokomenika tany Lyon i Albert. Herintaona tao aorian'io izy dia nitokana ny trano fitokana-monina tao Mönchengladbach. Ary tao Cologne izy no nodimandry ny 15 nôvambra 1280. Nasandratry ny Fiangonana ho olontsambatra izy ny taona 1622, ary ny papa Pie XI no nanambara ampahibemaso fa olomasina i Albert le Grand, sady Mpampianatry ny Fiangonana ny taona 1931. Ny taona 1941 izy no nambara fa olomasina mpiaro ireo kristianina mpikaroka manam-pahaizana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...