21 nôvambra — Raha ao amin'ny Evanjely efatra ao amin'ny Baiboly, dia tsy ahitantsika ny tantaram-piainan'i Maria Virjiny, fa ny boky apocryphe antsoina hoe Protévangile de Jacques no ahitana izany tantara izany. Ny protévangile dia midika hoe "Evanjely voalohany".

Noheverina fa tao Egypte no nanoratana ity boky ity, tamin'ny taonjato faharoa tany ho any. Io asa soratra io dia hita amin'ny fiteny grika , syriaque, éthiopien, géorgien, ary hita ihany koa amin'ny fiteny slave tranainy. Nambaran'i Masindahy Justin tao amin'ilay hoe "Dialogue avec Triphon et Origène" io filazalazana momba ity boky ity io, ary notononiny tao ny hoe asa soratr'i Jacques Zandriny izy io. Ao amin'ity Protévengile de Jacques ity, ao amin'ny toko fahenina ka hatramin'ny toko fahafolo no mitantara ny fiainan'i Maria Virjiny. I Joachim sy i Anne no ray aman-drenin'i Maria. Tia an'Andriamanitra izy ireo ka noho ny fankasitrahany Azy, dia natolony an'Andriamanitra i Maria, na taloha na tao aorian'ny nahaterahany. Toa izao no vaorakitra ao amin'ny tantara, araka ny nambaran'ny Protévangile de Jacques :

Rehefa roa taona i Maria, dia hoy i Joachim hoe : "Ndeha entintsika any an-Tempoly ity zaza ity mba ho tantetaka ny fampanantenana nataontsika. Raha tsy izany dia hampitandrina izany ny Avo Indrindra, ary ho very ny fanatitsika". Dia hoy i Anne : "Aleo aloha ho feno telo taona izy, satria amin'izay izy efa mitombo fahendrena ka mahafantatra ny ray sy ny reniny". "Eny àry, fa andrasantsika izany, hoy i Joachim". Vao feno telo taona i Maria dia nampiantso tovovavy tena Hebrio i Joachim, ary nasainy nitondra fanala tsy ho faty ireo. Nambarany fa tsy tokony hiherika any aoriana ny zaza. Nanaiky ny baiko ireo tovovavy ary niaraka niakatra tao an-Tempolin'Andriamanitra izy ireo. Noraisin'ny mpisorona ny zaza, notsofiny rano sy nataony hoe : "Nankalaza ny Anaranao izy, ry Tompo, tamin'ny taranaka mifandimby. Ao aminao, amin'ny farandro, no hanambarany ny famonjena izay nekeny ho an'ny zanak'i Israely". Napetrany teo amin'ny antana-tohatra fahatelo teo amin'ny Tempoly ny zaza, ary narotsak'Andriamanitra taminy ny fahasoavany. Nitsangana teo an-tongony i Maria ka nandihy, notiavin'ny vahoaka Israely izy. Nidina avy any an-Tempoly àry, ny ray aman-dreniny, feno hafaliana ary nankalaza an'Andriamanitra, ary tsy niherika tany aoriana mihitsy ilay zaza. Nijano tao an-Tempolin'Andriamanitra i Maria, toy ny voromailala, ary ny anjely no namahana azy, mandram-pahatongan'ny fotoana nangatahan'i Joseph azy.

Toy izao ny fanambaran'i Masindahy Jérôme ny fiainan'i Maria tao an-Tempoly. Vao mangiran-dratsy, hatramin'ny sivy maraina dia mivavaka izy. Manomboka amin'ny sivy hatramin'ny telo tolakandro dia manao ny asa tanana i Maira, avy eo izy, miverina mivavaka indray mandram-pahatongan'ny sakafo. Nanolotra an'i Maria ho an'ny Tompo, ny ray aman-dreniny, fa izy ihany koa dia nanolo-tena, ary tsy nanao afa-tsy ny sitrapon'Andriamanitra nandritra ny fiainany.

Heverina fa tamin'ny taonjato fahenina tany ho any ny fankalazana ity fety ity no nanomboka niseho, satria araka ny hita ao amin'ny tantaram-piainan'i Masindahy Jean le Silenciaire, nosoratan'i Cyrille de Scythopolis, dia tamin'ny volana nôvambra 543, tao Jerosalema no efa nomena ho anaran'ny bazilika ny hoe Sainte-Marie-la-Neuve. Tao Constantinople dia efa tamin'ny taonjato fahavalo no nisian'izany fankalazana izany, ary nisy mihitsy aza toritenin'i Masindahy André tao Crètre, miresaka ny momba azy io. Ny tetiandro hongrois indray, dia nahitana io fankalazana io hatramin'ny fanombohan'ny taonjato fahavalo, fa tamin'ny taona 1372 kosa vao nankatoavin'ny Fiketrahana Masina. Ny taona 1373 i Charles V no nampiditra azy tamin'ny fombam-pivavahan'ny mpanjaka tao France, ary herintaona tao aorian'izay dia nanasa ny fanjakana hafa ihany koa izy mba hankalaza io fety io. Rehefa avy nankalaza ny fety nanolorana an'i Masina Maria, tany Rome i Grégoire XI, dia toa nihanahazo vahana ny fankalazana, ka noraisin'ireo fikambanana pretra sy relijozy ary ireo firenena hafa izany ka tafiditra tao amin'ny Missel romain tamin'ny taona 1505. Nefa dia nesorin'ny papa Pie V indray, teo anelanelan'ny taona 1568 ka hatramin'ny 1585. Ary ny papa Sixte V, no namerina azy indray ho an'ny Fiangonana romana ny taona 1585.

Modely ho antsika rehetra i Masina Maria amin'ny fanoloran-tena. Noho isika nandray ny batemy dia tsy maintsy manolo-tena ho an'i Kristy ihany koa isika. Modely ho an'ireo nisafidy ny fiainana voatokana amin'ny fanaovana ny voady ho famaliana ny antson'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly izy. Ary ohatra ho an'ny pretra amin'ny fanompoana an'i Kristy sy ny Fiangonana. Koa entanina isika mianakavy, meteza hotoroany lalana, ary hiantson ny fanampiany satria Reny mahefa be izy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...