Raha vao voatendry ny lehibem-pikambanan'ny relijiozy iray dia tsy tokony hampiasa ny fahefana, izay omena azy, araka izay tiany hatao, fa ampiasainy ho fitaovana hanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra izany. Ny torolalana harahina dia mifototra amin'ny Lalam-panorenan'ny fikambanana, ny fanomezam-pahasoavana ary ny fivoriam-be.  Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...