Tsy esorin'Andriamanitra amintsika olombelona ny fepetra maha zanany antsika, ary indrindra miandry mandrakariva ny fiverenan'ny zanany mania Izy. Noho ny maha zanak'Andriamanitra antsika dia maro ireo fahagagana sady lehibe eo amin'ny fiainantsika. Andriamanitra no nanosotra antsika olombelona ho zanany, tsy mahafoy zanany izy fa ny zanaka no mahafoy ray aman-dreny... Katesizy momba ny tso-drano, iarahana amin'i P. Philippe Ranaivoarisoa.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...