Alahady 2 janoary 2022 — Ny nisehoan'ny Tompo na Epifania — Efa nahita ny kintany tany Atsinanana izahay, ka nankaty mba hitsaoka ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 2, 1-12

Taom-baovao ny andro, manararaotra mifampiarahaba isika sady mifampirary soa mba ho afaka amin’ity valan’aretina mahatsiravina ity ka tsy hidiran’atambo na ho tratry ny loza mandritra ny taona manontolo. Fa sady mankalaza an’Andriamanitra miseho amin’ny vahoakany isika amin’ity alahadin’ny Epifania ity, amin’ny alalan’ireo majy notarihan’ny kintana tany atsinanana, nikaroka an’i Jesoa Zazakely, Mpanjaka tany amin’izay toerana nisy Azy. Koa eo amin’ny sehatra misy antsika mety ho majy isika, mety ho kintana, mety ho Heroda, na koa ireo mpahay lalàna, mety ho Jesoa, ary mety ho fanomezana fotsiny sy ny sisa. Fa samy manana ny manandrify azy avy ; toy ny tsikovoka sy fandio rano : volo no iraisana fa ny fomba samy manana ny azy ; ao koa ny sakay sy ny tsiperofero, samy mitondra ny ngidiny ho azy ; ao koa ny latabatra sy ny seza : misy ny natao hihinanana, misy ny natao hipetrahana ka tsy mifampialona ny amin’izany.

Tsara ho marihina aloha fa maneho ny fiainantsika izany kisarisary izany, dia ilay fiainantsika mivahiny ety an-tany, mitody mankany an-danitra ka tsy mitsahatra ny mikaroka Azy Tompo, hany ka tsy hitony ny hetahetam-pontsika raha tsy ho tody any aminy, araka ny voalazan’i Masindahy Augustin. Koa izay atao rehetra no tsara anehoana izany fikarohana Azy Tompo izany. Eto izao ny majy nandeha lalan-davitra, nikaroka an’i Jesoa. Tsy nampitakemotra azy ireo ny sakantsakana rehetra teny an-dalana. Nisy fotoana aza diso fiantefa ny diany ka namantana tany amin’i Heroda, mpanjaka ; satria noheveriny fa any no misy Ilay Mpanjaka tadiaviny. Fa tsy nanaiky Izy ireo raha tsy tonga tany amin’i Jesoa, Ilay notadiaviny. Mety ho toy izany koa isika raha tsy mitandrina ka izay eritreretintsika ihany no ataontsika fa tsy ampifanarahana amin’izay atoron’Andriamanitra antsika, mety hiverin-dalana raha tojo ny sarotra sy ny manahirana na koa mety hanova lalana. Fahadisoan-kevitra anefa izany fa araho ny nataon’ireto majy ireto. Aleony nanaiky an’Andriamanitra toy izay ny olombelona, na lehibe sy mpanjaka aza, rehefa mety hampidin-kizo.

Raha ny kintana indray no resahana : isan’ny anjara asany ny manazava, na koa mpitarika na famantarana. Fa misy ny karazana kintana, ka iza amin’ireny isika : fitarik’andro ve sa i Kotokely miady laona sa famantarana ny atsimo sa tain-kitana. Fa kintankitana koa ve manao zavatra sa donendrinendrina be, indrindra amin’ny fanompoana Azy Tompo ? Ny atahorana dia ny tain-kintana ka lasa fanary sisa. Raha mpitarika isika aoka ho lohany fa tsy miandry ho taritina indray !

Ohatra farany raisintsika i Heroda mpanjaka : sao manampatra fahefana fotsiny na sarotim-pahefana, tsy refesi-mandidy, mpanjakazaka, feno fialonana amin’izay atao ka mampijabaka ny hafa toy ny nataony tamin’ireto majy. Tandremo koa ny mihinana am-bolony ka tonga hatramin’ny mampamono ny hafa mihitsy aza mba hitazonana ny toerana. Zava-doza izany ! Nampikaroka an’i Jesoa izy, tsy ny faniriana hahita Azy fa ny hamonoany Azy, noho ny fitiavan-tenany diso tafahoatra. Tandremo sao tratran’izany koa isika eo amin’ny fahefana tazomintsika na nomena io na nampindramina. Aoka ny marina, ny rariny sy ny hitsiny, ary izay mahasoa ny vahoaka tsy mandady arina no atao vaindohan-draharaha fa tsy izay ho an’ny tena sy ny fianakaviana na ny miara-misosy fotsiny ihany.

I Jesoa Mpanjaka tapitrohatra, tonga lafatra, tonga hanavotra, vonona hiseho amin’ny rehetra, manala antsika amin’izany rehetra izany ka miandry antsika mandrakariva nefa koa vonona hiara-dalana amintsika ihany koa amin’izay ataontsika rehetra ; koa aza misaraka aminy na ovina na oviana. Entina am-bavaka ny ankizy rehetra amin’izao andro maneran-tany ho azy ireo izao, indrindra ireo tsy manam-piahy, ireo maditra, ireo saraka ray aman-dreny tsy fidiny, ireo kamboty, ireo fadiranovana ary ireo ankizy iharan’ny herisetra isan-karazany. Izy Jesoa anie ho andry iankinan’izy rehetra ireny. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...