Alarobia 5 janoary 2022 — Herinandro manaraka ny Epifania — Hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo no anirahan’Andriamanitra Ahy, sy hankahery ny torotoro fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 45-52

Noteren’i Jesoa hiondrana an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany. Tsy voatery ho lambolamboina na tambatambazana foana akory ny olona fa misy fotoana tsy maintsy terena izy, toy ny nataon’i Jesoa eto. Manambara ny Eglizy ny sambo ao amin’ny Soratra Masina. Ka azo lazaina fa terena hiditra ny Eglizy amin’ny fotoana sasany isika. Misy mantsy miteny ny tsy tokony ifaneriterena amin’ny resaka finoana. Mazava eto ny nataon’i Jesoa.

Ankoatra izany, maneho ny diantsika mpivahiny ety an-tany mankany an-tseranana ny fiondranana an-tsambo, dia ny lanitra izany. Koa aza milomano miampita ranomasina ; izany hoe manao ny lohany fotsiny, matoky tena tafahoatra, tsy laitra atoro; fa meteza miditra an-tsambo, na somary an-tery aza indraindray, tsy maninona, raha izany no maha tafita.

Noteren’i Jesoa hiondrana an-tsambokely ny mpianany mba hialoha Azy eny am-pita. Noho izany, adidin’ny mpianatra voalohany ny mialoha an’i Jesoa, toy ny nataon’i Joany mpanao Batemy. Ka tsy ahindrahindra be fahatany ny tena amin’izany fa Izy mpaniraka no aoka hatao loha laharana. Mialoha Azy toy ny kintana fitarik’andro na tehana mialoha andriana fa tsy ny mifanohitra amin’izany ka taritina indray na koa hoe : manara-drenirano fotsiny.

Eo koa ny hoe : nankany an-tendrombohitra mba hivavaka i Jesoa. Toerana fihaonana amin’Andriamanitra mantsy ao amin’ny Soratra Masina ny tendrombohitra ka ankehitriny ny trano fiangonana no toerana tsara indrindra hihaonana aminy. Ka tsy hoe tsy misy Azy eny an-tsena na eny amoron-dranomasina na any an-trano fa tsara sy mendrika kokoa ny trano fiangonana. Ampahafirin’ny olona tokony mivavaka moa no tonga any ankehitriny ? Anton-dia any ny hivavaka, toy ny nataon’i Jesoa, fa tsy hifanaratsy na hifampitsikera na hifanenjika ka tandremo fa sao diso lalana na mifamadika ny toerana.

Eny ambony ranomasina : rehefa tsy miaraka amin’i Jesoa matetika toa mila ho rendrika satria atopatopan’ny rivo-maherin’ny fiainana, toy izao hiainantsika amin’ny valanaretina izao. Matahotra mafy ery isika amin’izany. Izy anefa tsy mandao antsika izany fa isika no mandositra Azy. Miteny amintsika ihany koa Izy ankehitriny hoe : "Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra". Koa na mahery toy inona aza ny rivotra, io ihany ny teniny amintsika. Matokia Azy. Tsy hoe tsy fantany izao mahazo antsika izao fa ilaina ny sedra indraindray mba hampadio antsika toy ny fanao amin’ny volamena ka ahofana aloha mba hiseho ny famirapiratany. Izay tsy miharitra ihany no ho voa mafy. Ilaina noho izany ny faharetana. Fa nitsahatra ny rivotra rehefa niakatra teo amin’ny sambo i Jesoa : maneho an’Andriamanitra miaraka amin’ny olony izany, miara-dia amintsika Izy. Izany foto-pisainana izany no tian’ny Eglizy iainantsika amin’izao sianody izao ; koa aza mandeha irery izany fa ny mita be tsy lanin’ny mamba ary izay misaraka fasika. Koa alao hery. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...