Alatsinainy 10 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 14-20

Indro efa eo anivontsika ilay Mesia nialohavan'i Joany, nefa efa tonga talohany. Indro tonga miaraka aminy ny fanjakan'Andriamanitra, antony nakany nofo sy niarahany nonina tamintsika olombelona. Izy ilay Vaovao Mahafaly nantenain'ny maro, santatr'ilay tena hasambarana lavorary sy tonga lafatra ao amin'Andriamanitra. Io Mesia io no mitaona antsika rehetra ho ao amin'izany fanjakan'Andriamanitra izany, ary mampianatra antsika koa ny fomba hidirana ao, dia : ny fibebahana, izay fialana amin'ny ratsy sy izay tsy araka an'Andriamanitra, hanova famindra hibanjina mandrakariva ny fiainana mandrakizay. Ary ny finoana ny Evanjely, mba tsy handeha amin'ny toetra sy ny fomba maha olona fotsiny isika, fa handray an'Andriamanitra ao am-po sy eo amin'ny fiainana, hanantena azy sy hiombom-piainana aminy tanteraka. Izany hoe, hisokafan'ny fiainantsika ho any amin'Andriamanitra sy handovantsika ny fanjakany.

Raha tsiahivina dia antony nakany nofo toa antsika izany, antony niantsony ireo mpianany ihany koa ho mpiara-miasa aminy hamonjy ny olombelona rehetra. Anjarantsika àry, ny maneho fa efa eo afovoantsika, miara-monina amintsika Andriamanitra, amin'ny alalan'ny Zanany. Anjarantsiia ny mihaino sy ny mankato azy, ilay miantso antsika isan'andro vaky, hibebaka sy hiaina ny Evanjely, mba ho tena mpanara-dia sy mpiara-miasa aminy isika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...