Talata 18 janoary 2022 — Herinandro faharoa mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 23-28

Mitohy ihany eto ny tsikera atao amin’i Jesoa. Eto dia mahakasika ny fiotazam-bary amin’ny andro Sabata izay nataon’ireo mpianany no nanakianan’ireo Farisianina Azy.

Nazavain’i Jesoa tamin’izy ireo àry ny momba ny Sabata izay nifototra tao amin’ny Testamenta Taloha mahakasika an’i Davida Mpanjaka sy ireo mpanara-dia azy. Ambaran’i Jesoa amin’izany fa ny Sabata dia nataon’Andriamanitra mba ho tombotsoan’ny olombelona : ny fakana aina sy ny fiderana an’Izy Andriamanitra ihany. Noho izany, dia ambony noho ny Sabata ny maha-olona, Fa ny fahafatarantsika an’izany Sabata izany dia tsy tokony hijanona fotsiny amin’ny hoe fialana sasatra fa indrindra koa hoe fiderana an’Izy Andriamanitra.

Ho an’ny Jody mantsy, dia ny hialana sasatra amin’ny andro Sabata dia mba hahafahana midera an’Andriamanitra irery ihany. Avela daholo ny asa aman-draharaha hany ka ny hanina hohanina amin’andro Sabata ary dia ahandroina mialoha an’io andro io. Ny fanaovana zavatra ankoatra izay dia midika tsy fitandremana ny andro Sabata ho azy toy ny nataon’ireto mpianatr’i Jesoa ireto.

Novalin’i Jesoa àry fa "ny Sabata dia natao ho an’ny olona fa tsy ny olona no ho an’ny Sabata". Ary mamporisika mihitsy àry Izy fa ny Sabata dia natao ho fanaovana soa fa tsy ratsy ary ny mamonjy aina fa tsy ny mamono. Mbola ho hitantsika rahampitso moa ny Evanjely mahakasika an’izany. Koa eto, ny fiotazam-bary izay nataon’ireo mpianany dia famonjena aina.

Araka izany, ny Zanak’olona no tompon’ny Sabata satria Izy dia Andriamanitra, ka nanome antsika ny fomba hiainana amin’izany ao anatin’ny toerana sy ny fotoana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...