Alakamisy 20 janoary 2022 — Herinandro faharoa mandavantaona — Araikao amin’ny fanambarànao ny foko ry Tompo, ary ny lalanao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 7-12

Manomboka fanta-daza i Jesoa ka maro ny vahoaka nanaraka sy nihaino Azy noho ny fanasitranana izay nataony. Tsy ny Jody ihany no liana taminy fa hatramin’ireo tsy mpino koa, dia ireo avy any amin’ny manodidina an’i Tyr sy Sidona izany.

Ny famonjena izay nentin’i Jesoa tamin’ny vahoaka dia nasehoany tamin’ny alalan’ny fanasitranana sy ny fandroahana ny fanahy maloto. Fanasitranana ara-batana sy ara-panahy no netin’i Jesoa ho azy ireo. Tiany ho olon’afaka isika, tsy voafatotry ny aretina sy ny ratsy. Tsy nanavahany olona izany fa izay nanatona Azy dia nositraniny avokoa. Io no endriky ny Eglizy izay naoriny : mitondra famonjena ho an’ny rehetra ary tsy manilika ny hafa. "Eglizy misokatra" hoy ny Papa Fransoa izay.

Eto dia ny fanahy maloto no nanambara ny mahakasika an’i Jesoa : "Ianao no Zanak’Andriamanitra". Ary isika izay milaza fa mino sy tia Azy ? Rehefa fotoana manao ahoana no hanambarantsika izany ? Mila manankina ny fiainantsika amin’Izy Andriamanitra àry isika sy matoky Azy hatrany.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...