Alatsinainy 7 febroary 2022 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 53-56

Ry kristianina havana, tao aorian’ny fampitomboana ny mofo dia lasa nalaza i Jesoa Kristy sy ny mpianany ka lasa notadiavin’olona tetsy sy teroa. Tsy afaka niala sasatra mihitsy izy ireo noho ny olona maro tsy mitsahatra mitady azy. I Jesoa rahefa mahita vahoaka mitady azy sy manaraka azy dia vonona avy hatrany ny hikarakara azy ireo ary vonona avy hatrany mampijanona ireo lamina efa nokasainy hatao. Io ilay fon’ilay mpiandry ondry tsara, mahafoy fotoana, manana fandavan-tena mikarakara ny ondriny.

Ankehitriny rahefa marary dia mihazakazaka any amin’ny mpitsabo. Hitantsika kosa amin’ity andalanan-tSoratra Masina ity fa ny olona na aiza na aiza dia mitatitra ny marary amin’ny fandriany hanatona an’i Jesoa. Na ny marary na ny mpikarakara dia maneho ny finoana lalina amin’ny fanasitranana ataon’i Jesoa. Niangavy mba hanendry na dia ny akanjon’i Jesoa ihany aza. Ny aretina teo aloha dia nisy fomba fiheverana fa misy ifandraisany amin’ny fahadisoana natao ka noheverina fa kapoka avy amin’Andriamanitra. Noho izany, mba ho sitrana dia mila miverina amin’Andriamanitra. Ny faniriana hikasika dia marika fa te hanatona an’Andriamanitra sy fanehoana ny finoana amin’ny fiverenana aminy, fanehoana fibebahana. Ny fisitahana aminy dia marika ny fanalavirana an’Andriamanitra.

Mbola hitantsika mandraka ankehitriny, kristianina maro no mangataka amin’ny Eglizy ny sakramenta. I Jesoa no milaza amintsika fa Izy no tena mpanasitrana fa tsy mpitsabo fotsiny, tsy tonga ho an’ny salama fa ho an’ny marary, tsy tonga ho an’ny olo-marina fa ho an’ny mpanota. Izy ilay manasitrana ny tena manontolo : vatana sy fanahy. Tanteraka ao amin’i Jesoa ilay faminaniana tao amin’Izaia mpaminany : Hitsangana ny malemy, hahiratra ny jamba, hanafaka amin’ny famatorana. Ny dokotera hono mitsabo fa i Kristy no manasitrana. Tsy afaka mijanona amin’ny herin’ny fahaizan’ny olombelona fotsiny isika fa sady ilaina ny mitsabo no ilaina ny vavaka.

Ilaintsika noho izany ny finoana lalina izay manosika antsika hanatona an’i Kristy. Io ilay asa arahim-bavaka, io ilay fiainana tsy tapaka miombona amin’Andriamanitra. Koa esory ny fiheverana diso indraindray momba ny sakramentan’ny marary ho fanosorana farany. Ny kristianina rehetra dia afaka mangataka ny sakramentan’ny marary isaky ny mahatsiaro fa reraka sy osa ka mila fankaherezana amin’ny alalan’ny vavaka sy fanosorana hankahery azy, ka miantso ny Pretra.

Ilaintsika àry ny fifanampiana tahaka ireo olona nibata ny fandriana tamin’ny toerana handalovan’i Jesoa. Ilaina ny manampy ny marary na ara-materialy na ara-moraly. Mankahery ny mpikarakara marary sy ny mpitsabo rehetra mba hahavitan’izy ireo ny adidiny.

Ry Jesoa Tomponay ô, sitrano amin’ny areti-mandoza maro samihafa izahay mba ho salama tsy marofy ka hanompo anao sy hatoky anao hatrany eo amin’ny asa aman-draharaha atrehinay isan’andro. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...