Alarobia 9 febroary 2022 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambaràna avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 14-23

Ry kristianina havana, mitodika amin’ny vahoaka eto ny fampianarana ataon’i Jesoa. Fampianarana izay mifantoka mahatonga ny olona hadio na haloto. Dia ambaran’i Jesoa mazava tsara fa hoy Izy : "Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy, fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto Azy". Io no navalin’i Jesoa ny Farisianina rahefa nanontaniany hoe : "Nahoana ny mpianatrao mihinana tsy manasa tanana ?"

Nataon’Andriamanitra mitovy endrika aminy isika ka ny olombelona rehetra koa dia mitovy fahamendrehana sy hasina avokoa. Ka tsy sanatria manavakavaka Andriamanitra ka nataony araka ny harena ny fahamasinana ka izay mihinana sy misakafo tsara dia tonga olomasina na manaraka izay koa ny fahamasinany. Tsia, mety misy mahantra tsy mihinam-be loatra kanefa manana ny hatsaram-panahy lavorary. Izany no hilazana amintsika fa ny fahamasinana na ny hatsaram-panahy dia tsy avy amin’ny zavatra miditra avy ety ivelany ao anatin’ny olona. Na olon-tsotra na olona ambony; na iza na iza dia samy mety ho tonga olona tsara fanahy na koa olona ratsy fanahy.

Dia ireto ireo haratsiam-panahy mivoaka avy amin’olona : ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny famonoana olona, ny halatra, ny fahihirana, ny hasomparana, ny hafetsen-dratsy, ny fijejojejoana, ny vava ratsy, ny fiavonavonana, ny fahadalana. Lazain’i Jesoa fa ireo no mivoaka avy amin’ny fon’ny olona.

Noho izany, i Jesoa dia mampianatra ny tena maha olona ny olona ka mampisongadina ny ivon’ny olona dia ny fo. Ny fon’Andriamanitra irery no lavorary ka lazaintsika hoe tsara fo Andriamanitra, fo Masin’i Jesoa. Rahefa mivavaka isika dia mangataka amin’i Jesoa hoe : "Ataovy manahaka ny fonao ny fonay".

Mampianatra i Jesoa fa ny zavatra rehetra noharian’Andriamanitra dia tsara avokoa. Ka hoy Izy : "Ny hanina rehetra dia madio fa izay mivoaka ao amin’ny olona no mahaloto Azy". Ny tsirairay dia omen’Andriamanitra fahafahana : misy ny olona iray mifady sakafo iray na maromaro satria tsy tia fotsiny Izy. Io ilay fahafahana afaka misafidy ka mangataka antsika ny Tompo mba hanatanteraka tsara ny asa rehetra ataony ny olombelona. Manantena antsika Izy amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny drafitry ny famoronan’Andriamanitra, izay nanao ny tsara rehetra.

Noho izany ny loharanon’ny fahotana na ny fahalotoan’ny olona dia avy amin’ny fony izany hoe ny atifanahin’ny olombelona. Ny fo no iankinan’izay heveriny sy volavolainy ary ny mety ho fihetsika amam-pitondrantenan’ny olona. Koa raha te hadio ny olona iray dia mahay mamehy ny fihetseham-pony.

Tompo o, ataovy manahaka ny fonao ny fonay. Amorony fo madio izahay. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...