Alahady 27 febroary 2022 — Alahady fahavalo mandavan-taona — Nosokafan’Andriamanitra ny fontsika mba hitandrina izay nolazain’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 39-45

Ny be ao am-pon’ny olona no itenenan’ny vavany. Fampianaran’i Kristy izany teny izany. Satria ny hasin-toetrantsika olombelona dia miakina amin’ny fanahintsika. Ny fanahy no olona. Ka iakinan’ny hasin’ny olona ny fahamendrehan-toetra sy ny teny madio. Ary anisan’ny fampianaran’ny bokin’i Siraka antsika entina hiarovan-tena amin’ny mpaminany sandoka ny hoe : "aza midera olona alohan’ny nitenenany, fa ny teny no fizahan-toetra ny olombelona." (Si 27, 7)

Ka ny tenin’i Jesoa amin’ity Evanjely ity dia mampitandrina ireo rehetra mihevi-tena ho mpahay lalàna nefa tsy miaina izany : "ny voany no ahafantaranareo ny hazo, fa tsy misy mioty aviavy amin’ny tsilo, na voaloboka amin’ny voaroitsilo." Midika izany fa rehefa tsara ny ao anatinao dia tokony miteny zavatra tsara ho an’ny hafa mandrakariva ianao. Adidintsika kristianina ny mandrindra ny fomba fiainantsika sy ny teny atao ary ny zavatra asehontsika ny manodidina. Ka tokony hitandrina isika satria indraindray ao anatintsika mbola ahitana ampaham-piainana Farisianina kely : fihatsarambelatsihy. Indraidray isika sahiran-tsaina amin’ny kilema madinidiniky ataon’ny hafa satria mihevi-tena ho mahay lalàna ka tsy mahatsikaritra akory ny fahotana be ataontsika : "nahaoana ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao jerenao, nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao tsy hitanao ?" Tsy azo atao ny manery ny hafa ho tonga lavorary, kanefa isika aza, milomano anaty loto. Koa raha te hanala ny tapak’ahitra amin’ny mason’ny rahalahintsika dia mila manadio ny antsika aloha voalohany indrindra. Angatao àry ny fahasoavan’Andriamanitra mba hanampy antsika isan’andro handrindra ny teny ataontsika sy ny fomba fiainantsika andavan’andro.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...