Alarobia 2 marsa 2022 — Fanosorana lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo; fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 1-6. 16-18

Mahafanitra ny fampianarana nomen’i Jesoa antsika eto am-panombohana izao vanimpotoana karemy izao. Ny fampianarany dia manazava amintsika ny dikan’ny atao hoe fitiavana : fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. Ka eto Jesoa dia mampianatra antsika fa ny fitiavana marina dia afaka asehontsika amin’ny alalan’ny asa fiantrana, ny vavaka ary ny fifadian-kanina.

Eo amin’io fomba fanehoantsika ny fitiavana an’Andriamanitra sy namana io indrindra no tian’i Jesoa hampitandremana antsika : aoka mba tsy ho filan-dera eo imason’olona no hanaovantsika izany asa fiantrana, na vavaka na fifadian-kanina izany, fa tena atao amin’ny fo tokoa. Ny asa fiantrana dia tokony atolotra ny hafa amin’ny fo feno fitiavana sy hafalina tokoa fa tsy hoe arahina nenina na natao hitadiavam-boninahitra. Ny vavaka dia mariky fitiavana an’Andriamanitra, izay manokatra ny fontsika hitia azy sy ny manodidina antsika. Ka ny vavaka dia manokatra fontsika hibanjina ilay Andriamanitra tia antsika sy tiantsika ka manentana antsika hangoraka ny hafa. Ary ny fifadian-kana indray kosa dia an’isany endrika iray feno fitiavana entintsika hanampiana ny hafa. Ny fitiavana no manosika antsika hifehy ny tenantsika ka hitodihantsika any amin’ny hafa amin’ny alalan’ny ezaka izay natao, mety ho vola, mety ho sakafo na fitafiana. Izany no atao hoe fahafoizan-tena, mahafoy tena, ny aina mba hamonjena ny sahirana. Mangataha mandrakariva àry amin’ilay be fitiavana antsika mba hitoetra ao amintsika mandrakariva izany hatsaram-panahy fahafoizan-tena izany.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...