Alahady 13 marsa 2022 — Alahady faharoa amin'ny Karemy — Tao anatin’ny rahona mamirapiratra, re ny feon’ny Ray nanao hoe: "Ity no zanako malalako, henoy Izy" — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 28b-36

Vao nanomboka ny vanim-potoanan’ny Karemy isika no indro fa asaina sahady ny hibanjina ny misterin’ny Fiovan-tarehin’ny Tompo. Fa nahoana tokoa moa izany ?

Marihina fa tsy mora ny mamaly an’izany fanontaniana izany, fa andeha hamaly fanontaniana hafa isika, dia ilay hoe : "miantefa amin’iza moa io misterin’ny fiovan’ny Tompo tarehy io ?"

Ho an’i Jesoa Kristy io mistery io satria maneho aminy ny maha-Izy Azy sy ny fandaharan’Andriamanitra amin’ny fiainany ka ny fahafantarana an’izany no ahafahany hiantsoroka amin-kasahiana ny adidy nankinin’Andriamanitra aminy.

Natao ho an’ny mpianatr’i Jesoa Kristy ihany koa ity misterin’ny Fiovan’ny Tompo tarehy ity ; toy ny hoe fampianarana hitarihana ireo mpianatr’i Kristy manokana mba hahalalan’izy ireo, eo an-kilany, fa i Jesoa Kristy anie ka Tompon’ny voninahitra, Mpampianatra ary Zanaka mamin’ny Ray. Manana iraka manokana izy dia ny ho mpaminany marina tokoa sy Tompon’ny Lalàna. Fa etsy andaniny, hanampy azy ireo hitraka, tao aorian’ny filazan’i Jesoa fa tsy maintsy hijaly sy ho faty Izy, ka ny Fiovan’ny Tompo tarehy kosa no hankahery azy ireo.

Farany, mampitandrina antsika tsy ho latsaka ao anatin’ireo fakam-panahy roa nahazo an’i Piera ihany koa ity Evanjely ity. Voalohany amin’izany fakam-panahy izany ny fanirian’i Piera hahazo ny fahasambarana sy ny famonjena tsy hahitana fijaliana sy fahafatesana velively. Fakam-panahy faharoa kosa ny fanilikilihana ny olona sasany amin’ny famonjena. Izany hoe, mihevitra i Piera fa ho an’olom-bitsy ny famonjena rehefa nanoro an’i Jesoa ny tokony hanorenana lay telo teny an-tampon-tendrombohitra izy tamin’izany fotoana izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...