Alarobia 23 marsa 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Izay hanatanteraka sy hampianatra ny didy dia ho lehibe amin’ny Fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 17-19

Natao hifameno sy hifanampy ny Lalàn’Andriamanitra ka tsy mety ny manapatapaka fahatany na manasamatsamaka na mamotipotika na manasaraka azy araka izay itiavana azy. Tsy hoe arahina tsara izay tiana na mety amin’ny tena fa izay toa manindrotsindrona na tsy ilaina loatra kosa avela any na iniana tsy tenenina. Mazava eto ny lazain’i Jesoa hoe : "Tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia "i" iray na tendron-tsoratra iray akory aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra." Ny hanafoana na ny tsy hiraharaha ny Lalàna manelingelina na manembatsemabana antsika no mahamaika antsika ; fa tsy ny hanatanteraka azy rehetra. Aza maika handrava fa aoka hazoto hanatanteraka aloha. Azo fintinina amin’ny fitiavana mantsy izy na koa hoe : Fahatanterahan’ny lalàna rehetra ny fitiavana ; ka inona amin’ny fitivana no anesorana na avela ? Izao ihany : aoka tsy ho dikaina ny lalàna. Tsarovy fa tsy natao hangeja ny lalàna fa hanafaka. Arofanina izy. Izay manivaka ihany no voagejan’ny lalàna, izay milingilingy no potraka, izay amoron-tevana na tafakatra ambony no mora fanina ; fa izay manaraka ny tokony ho izy ka manara-dalàna sy ny fitsipika napetraka tsy mahatsapa akory hoe misy lalàna. Izay zatra tsy mpanara-dalàna no matahotra sy tezitra raha ahitsy amin’izany. Fa izay zatra manara-dalàna kosa tsy mihontsona amin’ny lalàna na atao mafy na mora izany. Koa aoka isika handeha toy ny olon’afaka satria efa nanala antsika tamin’ny geja mamatotra antsika Ilay Zanak’Andriamanitra. Tsarovy mandrakariva fa modely ho antsika Izy amin’ny fanarahana io Lalàna io. Nilaza aza Izy fa tsy tonga handrava ny Lalàna fa hanatanteraka ; koa angaha isika mbola amboniny no sahy handrava Lalàna izany.

Misy koa sahy milaza fa aleo foanana ny lalàna mba hahafahana manao izay tiana atao. Indrisy fa mampalahelo izany, satria fiainana baranahany ny fiainana tsy misy lalàna, manjary fanjakan’i Baroa. Mety hisy hiteny angamba isika hoe : ahoana izany ireny migadra ireny, tsy noho ny lalàna ve ? Raha ny marina natao hamerina azy ireny amin’ny tena fiainana ny nahatonga azy ho any satria ry zareo amin’ny ankapobeny nahakasika ny fetra sy ny fatran’ny lalàna ka nahatohintohina ny fiaraha-monina. Amin’izany lafiny izany natao hanitsy ny lalàna. Koa marihina eto fa tsy lalàna ny lalàna raha natao handetehana an-dranona na ranona fotsiny ihany fa natao hanampy azy bebe kokoa aza. Etsy andanin’izany, tsy ampy ny mahay lalàna fa ny miaina sy mampianatra ary ny mizara azy no tsara. Tsy afenina ny lalàna sao mahavoa fa aleo aza abaribary hitandremana. Ambonin’izany rehetra izany ny Lalàn’Andriamanitra izay natao hanampy antsika ka ho mety ho tonga lalana mankany Aminy raha haintsika ny manatanteraka sy mampihatra azy.

Ampio izahay, ry Jesoa Tompo, hahay hanara-dalàna toa Anao ; eny, na noho io lalàna io ihany aza no navadika ka nentina namantsihana Anao tamin’ny hazofijaliana kanefa nekenao mba hanafaka anay. Amin’izay izahay ho tonga eo anilanao rahatrizay miala ety. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...