Alahady 27 marsa 2022 — Alahady fahefatra amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe: Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 1-3. 11-32

Asongadin’ny Evanjely teo ny habehan’ny fitiavan’ny Ray antsika zanany, na dia diso teo anatrehany aza dia tsy foiny ary hanehoany indrafo mandrakariva. Ity fanoharana ataon’i Jesoa ity no anehoany amintsika fa Ray Andriamanitra, Ray tsy manjakazaka na manampatra fahefa na manao tsy refesi-mandidy amin’ny zanany fa fatra-pangoraka sy mpamindra fo. Tsy fanararaotra anefa io toetra maha Andriamanitra an’Andriamanitra io. Diniho ny nanjo ity zandriny, voalazan’ny Evanjely teo, fa voan’ny nataony. Voahetry ambany dia ambany satria tsy niaina sy nivelona ny maha zanaka azy noho ny safidim-pony tsy hitoetra eo anilan’ilay Rainy ka tojo ny mafy sy sarotra vao tonga saina. Ny indrafo sy famelana ataon’Andriamanitra antsika zanany no ahatsapana fa tia antsika izy ary faly mandray antsika mandrakariva. Fototry ny fibebahana hiverenatsika amin’Izy Andriamanitra izany amin’izao karemy izao.

Ny toe-po sy fiainana tokony ananan’ny zanaka no ampianarin’ny Jesoa antsika, amin’ny tapany faharoa amin’ny Evanjely teo. Tsy ho fatra-pitandrina sy be fanekena fotsiny eo anatrehan’ny Ray, toy nataon’ilay zokiny, fa mila mivelona sy mahatsapa fa tia azy ny Rainy. Zanak’Andriamanitra isika rehetra ka nanaovany fatoram-pitiavana. Ary io fatoram-pitiavana io no mitondra sy manentana ny ataontsika rehetra mba hampitoetra antsika eo anilan’ny Ray. Anatra ho antsika ny nataoin’ity zokiny, tsy nahatsapa ny fitiavan’ny rainy azy, nametraka ny tenany ho toy ny mpanompo. Hany ka velom-pialonana mahita ity zandriny tonga miverina ao amin’ny fitiavan’ny rainy. Tsarovy fa ny fahatsapana hoe tiana no mampiraiki-po tsy te handao sady manova ny fomba enti-mifandray.

Tsy misy tombo sy ala ny fitiavan’ny Ray antsika fa anjarantsika kosa ny mivelona azy sy mampamokatra izany eo amin’ny fiainatsika. Karemy ny andro, tsy fotoana fialana amin’ny ratsy sy fahotana na hanaovan-tsoa sy fivavahana fotsiny fa fotoana hanavaozana, hamelombelomana ny fitiavana mampifamatotra antsika zanaka amin’Andriamanitra Raintsika. Fa io fitiavana io no fototra sy mampisy dikany ny maha isika antsika sy ny ataontsika rehetra.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...