Talata 29 marsa 2022 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 5, 1-3a. 5-16

Maneho ny fomba hamonjen’Andriamanitra antsika olombelona, amin’ny alalan’ny Zanany tonga eto amin’izao tontolo izao, mba hitokiantsika sy tsy hisarahantsika Aminy ity Evanjely teo ity. Ivelan’ny valan’ondry no anombohan’ny tantara, toerana ahitana dobo fidiovana sy marary maro. Entina ilazana amintsika fa misy dingana sy fomba arahina ny firosoana ho anisan’ny ondrin’Andriamanitra. Ary tsy asan’ny tena samirery, fa iombonantsika Aminy, amin’ny alalan’ilay Mpamonjy notolony ho antsika.

Ny marary eto dia endriky ny manjo antsika olombelona, very noho ny fahotana, tsy afa-manavo-tena samirery, fa mila ny indrafon’Andriamanitra mandrakariva mba ho sitrana. Ary ilay dobo atao oe hoe "Betesda" no maneho ny famindrampon’Andriamanitra amin’ny mpanota. Diovina aloha ny marary vao miditra amin’ny valan’ondry. Toy izany koa isika, sitranina amin’ireo aretina, vao afaka hiaina ny fiainam-baovao ao amin’Andriamanitra. Tandindona ihany ny anjely manetsiketsika ny rano fa i Kristy, endriky ny indrafon’Andriamanitra no manafaka antsika amin’ny fahotana sy ny haratsiana ary ireo aretim-panahy maro mba ho anisan’ny vahoakan’Andriamanitra isika.

Mbola anatin’ny Karemy isika : fotoana fidiovana sy fanatonana ny indrafon’Andriamanitra. Meteza ho sitranina ary rahefa sitrana dia hitandrina ny tenin’i Kristy hoe : "aza manota intsony sao ratsy noho ny teo indray ny manjo anao."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...