Alakamisy 31 marsa 2022 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 5, 31-47

Ity Evanjely ity no anambaran’i Jesoa ny maha Mesia azy. Mesia nirahin’Andriamanitra hanavotra ny olombelona rehetra, hiverenany amin’Andriamanitra nahary azy. Ny finoana azy, Zanak’andriamanitra mantsy no ahazoana famonjena, nahatonga azy Kristy nampahatsiahy ireo vavolombelona efatra manambara Azy.

  1. Joany Batista, mpialoha-lalana, jiro nanazava mitondra ny olona rehetra ho any amin’ny tena fahazavana marina, dia Izy Kristy.
  2. Ny asa nataony, izay maneho eo amin’izao tontolo izao ny maha Iraky ny Ray Azy.
  3. Ny Ray, izay hita maso, re ary fantatra tao aminy no manambara fa Izy tokoa no endriky ny Ray, fatra-pitia sy mpangoraka mba hahazoan’ny olona rehetra ny indrafo.
  4. Ny Soratra Masina mitondra mankamin’izy Kristy ilay Mpamonjy sy fahatanterahan’ny fandaharan’Andriamanitra. Ao Aminy no ianarantsika ny fomba hahazoana ny fiainana mandrakizay.

Mifototra ary miantefa amin’izy Kristy avokoa ny zavatra rehetra entin’Andriamanitra manavotra antsika. Mba hinoantsika azy sy hitiavantsika azy ary indrindra hahazoantsika ny famonjena.

Fomba maro, ankoatra ireo efatra voalaza ireo koa, no efa nataon’Andriamanitra, mba hinoantsika ilay Nirahiny, nahazo tombony sy manan-jara isika amin’izao andro diavintsika izao, nitoriana ny Vaovao Mahafaly fa manana adidy kosa hampamokatra izany eo amin’ny fiainana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...