Sabotsy 2 aprily 2022 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 7, 40-53

Rentsika teo fa nampisara-tsaina sy nampisara-kevitra ny maro ny fampianarana nataon’i Kristy. Ao ireo voadonan’ny fampianarana nataony ka nino sy nahalala fa izy tokoa no Kristy, saingy natahotra ny hafa ka tsy sahy mijoro ankarihary sy milaza mazava ny maha Mesia azy. Ao ireo miandry kendritohana sy manao izay hisamborana Azy, noho ny fiheveran-tena ho manana ny marina ka tsy te hiova, na hanova fiainana mba hampizotra azy amin’ny lalana atoron’i Kristy. Na mandray an’i Kristy ho toy ny fahavalo na mpanelingelina ny safidim-po tsy hahafahana manao izay tiana atao.

Zava-nisy tany aloha izany ary mbola miseho koa ankehitriny. Hita taratra izany amin’ireo tsy sahy miditra lalina amin’ny finoana na ny fiainana maneho ny tena maha kristianina, fa menatra na matahotra ny mpaneso. Amin’ireo tonga saina saingy tsy tapa-kevitra ny hiova famindra na hanao dingana. Eo koa ireo tsy te hahalala akory ny fisian’Andriamanitra, ny misafidy ny hitoetra ao anatin’ny fahotana, toy ireo miaina ao anaty tokantrano imaso, ireo tsy te hibebaka amin’ny tsy mety iainany, ireny rehetra ireny no endriky ny fandavantsika an’Andriamanitra ankehitriny, anentanan’ny Fiangonana antsika amin’izao karemy izao mba hibebahana. Aza atao fotsy rora miteny ny Fiangonana, miantso sy manentana antsika hiainana ny toe-piainana araka an’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...