Alahady 10 aprily 2022 — Alahadin'ny Sampankazo sy Fandinihana ny Fijalian'ny Tompo — Ho antsika, dia nanolo-Tena i Krisy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 23, 1-19

Ry kristianina havana ! Lavalava ny Tenin’Andriamanitra novakiana tamintsika teo nefa kosa miantso antsika hifantoka amin’izao Herinandro Masina satarintsika anio izao. Araka ny tantaran’ny fijalian’i Jesoa Kristy teo dia nafana tokoa ny fifandonana teo amin’ny ankolafy telo lehibe samy hafa dia i Jesoa izay fototr’izao fotoan-dehibe ankalazaintsika hidirana amin’ny Herinandro Masina izao, i Pilaty izay tsy mijoro amin’ny maha izy azy an-daniny nefa eo aminy ny fahefana mifanindran-dalana amin’i Heroda izay efa nanenjika an’i Jesoa hatramin’ny fahazazany ka hatramin’izao izy hanatanteraka ny famonjena antsika ao Jerosalema izao ary ny fahatelo farany dia ireo Jody sasantsasany lohandohan’ny mpisorona sy farisianina rotiky ny fialonana ka sarona aminin’izy ireo ny marina fa ny hahafaty an’i Jesoa ihany no masaka ao an-dohany.

Raha io sombiny amin’ny tantara ny nijalian’i Jesoa Kristy araka an’i Masindahy Lioka io tokoa ny fotorana dia ny fialonana araka ny voalazantsika teo no tena fototra ka nitarika tany amin’ny fahafatesany. Tsy zakan’izy ireo ny marina ambaran’ny Zanak’Andriamanitra satria manohintohina ny tombontsoan’izy ireo ary mamotsipotsitra ny fitondran-tenany tsy mifanaraka amin’ny maha izy azy ireo, fa indrindra moa ny tsy fahazakany ny maha Zanak’Andriamanitra an’i Jesoa nefa dia jody mitovy amin’izy ireo ihany. Ny vahaolana dia ny fanafoanana an’i Jesoa tsy ho eo anivon’izy ireo. Ratsy ny fialonana ary fototry ny ratsy rehetra sady ahavanonan-doza hatramin’ny fahafatesana, koa hiangaviana antsika mba hiezaka mba tsy hanjakan’izany ao anaty.

Iretsy roa hafa dia i Pilaty sy Heroda koa dia endrik’ireo mpitondra sy manam-papahefana isan-karazany ankehitriny. Mazana izy ireo no mahalala tsara ny marina ary ny fahefany dia afaka maneho tsara izany siangy tsy sahy mijoro ka mahafaty ny tsy manan-tsiny. Zava-misy ankehitriny tokoa izany ka ny madinika foana no mizaka ny vokany. Tsy manana hianteherana afa-tsy Andriamanitra izay tsy andrin’izy ireo. Izy ireo foana no atao tsindry hazolena. Enga anie izy ireo hahatsapa tena, noho ny vavaka ataontsika, mba tena hiaina sy hampanjaka ny marina tokoa fa tsy hanakona izany amin’ny fitiavan-tena sy ny fahefana.

Fotoan-dehibe sy tsara indrindra ho antsika izao Herinandro Masina diavintsika manomboka anio izao, ahafahantsika mandinika ny tenantsika sy ny finoantsika. Latsa-paka ao am-pontsika ve ny finoantsika Azy ary vonona hiaritra ny mafy miaraka aminy ve isika na hihatra aman’aina aza ?

Andriamanitra ô ! Enga anie ny finoana anananay tsy ho finoana indray andro amin’ny andro lehibe toy ny Paka fotsiny ihany, fa mba ho finoana latsa-paka, mafy orina mandavan-taona, haharitra ary hatoky mandrakariva ny fitiavanao ! Amen !

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...