Sabotsy 01 febroary 2020 — Herinandro fahatelo mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 4, 35-40 — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny làlanao; ary tariho ho amin'ny làla-mahitsy aho.

0 : 00

Ny andro efa hariva no niteny i Jesoa: "Andeha isika ho eny andafin-drano". Eny fa na mpanarato àry ny ankamaroan'ny mpianatr'i Jesoa dia fantatra fa ny tahotra ny ranomasina dia manjohy ny Jody mandrakariva. Manamafy izany ny Salamo 28, noheverina fa fitoeran'Ilay Ratsy mantsy ny ranomasina. Eo indrindra i Jesoa no mitaona azy ireo, sady mitsapa ny finoany: avy amin'ny toerana iray hamakivaky ny ranomasina ho eny andafin-drano. Hamakivaky ilay heverin'izy ireo fa herin'Ilay Ratsy ary manampy izany ihany koa ny andro alina.

Tanteraka tokoa ny ahiahy, nandrivotra sady nanonja ny ranomasina, nila ho fefika ny sambo, i Jesoa anefa matory. I Jesoa indray no lasa fototry ny ahiahy noho ny tsy fahatokisan-tena sy noho ny fitavan-tena: "tsy mampaninona anao ve raha maty izahay?" Naneho ny fahefany i Jesoa, izay fampianarana lehibe ho an'ireo niara-niondrana taminy: nampitony ny ranomasina sy ny rivotra Izy. I Jesoa no miara-dàlana miara-miondrana tamin'izy ireo nefa ny tahotra no nameno ny fony ka tsy afaka natoky, tsy afaka nino izy ireo.

"Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo?" Eo amin'ny fiainantsika mamakivaky onja, ary zary lasa toa efitra aza dia miara-dàlana amintsika i Jesoa. Ny finoana no angatahany amintsika miaraka aminy dia ho tody eny andafin-drano isika eo amin'ny fiainana andavanandrontsika. Koa angataho i Jesoa hamelombelona mandrakariva ny finoantsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...