Alarobia 11 mey 2022 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava: isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 44-50

Ry havana, iraky ny Ray i Jesoa. Ny iraka dia tahaka ny tenan’ny mpaniraka ; i Jesoa mihitsy no nilaza fa iray ihany Izy sy ny Ray. Noho izany izay mino an’i Jesoa dia mino ny Ray. Ny finoana dia fankatoavana izay ambaran’Andriamanitra, fankatoavana tsy misy fepetra na mitaky antoka sanatria ; ny antoka dia ny fahamarinan’Andriamanitra. Ny finoana dia fahazavana ahazoana sy itandremana ny Tenin’i Jesoa. Samy mandrakizay na ny famonjena na ny fahaverezana ka samy tompon’andraikitra amin’ny safidiny.

Raha ny hevitra sy ny teny fotsiny dia miavaka tsara ny mino sy ny tsy mino, ny manara-dia an’i Jesoa sy izay tsy mankato azy. Fa mba miavaka tahaka izany koa ve amin’ny fiainana, amin’ny fitiavam-bavaka, amin’ny fitiava-namana. Maty manko ny finoana tsy arahina asa, hoy i Jakôba apostoly.

Tsy mitsara, tsy manameloka i Jesoa ; miavaka ho azy eo ny safidy sy ny fiainana. Ny eto ange ho vita ihany, fa ilay hiafarana mandrakizay no tsy mamela ho amin’izao. Ny hahavonjy ny olombelona rehetra no sitra-pon’ny Ray sy ambaran’i Jesoa. Amafiso indray àry anio ny finoantsika, finoana ombam-piainana.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...