Alakamisy 26 mey 2022 — I Jesoa niakatra any an-danitra — Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 24, 46-53

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niseho tamin’ny mpianany, ary niteny tamin’izy ireo nanao hoe: "Araka ny voasoratra, dia tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo, ary tsy maintsy torîna amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany. Ianareo no vavolombelon’izany. Ary Izaho kosa haniraka aminareo Ilay nampanantenain’ny Raiko; fa mitoera ao an-tanàna ianareo mandra-pandrainareo ny hery avy any ambony". Dia nentiny nivoaka ny tanàna hatrany Betania izy ireo, ary nanandratra ny tanany Izy, ka nitso-drano azy. Raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy, ka nakarina ho any an-danitra. Iretsy kosa, rehefa avy nitsaoka Azy, dia niverina tany Jerosalema tamin-kafaliana lehibe, ary tao anatin’ny Tempoly mandrakaniva izy ireo, nidera sy nisaotra an’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...