Alatsinainy 30 mey 2022 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 29-33

Andro vitsivitsy mialoha ny hisamborana sy hanamelohana Azy ho faty no nisehoan’ity resadresaka nifanaovan’i Jesoa sy ny mpianany, izay voalazan’ny Evanjely anio ity. Resy lahatra ireo mpianany fa Mesia tokoa Izy saingy tsy mahasakana azy ireo ny handositra ka hamela an’ity Mpampianany ho irery hiatrika ny fitsarana izany fahafantarana Azy ho Mesia izany. Matetika mpahazo antsika kristianina ihany koa io hakanosana io : fantatsika tokoa fa nitsangan-ko velona i Kristy saingy tsy sahy akory ny hijoro ho vavolombelony isika rehefa misedra ny mafy eo amin’ny fiainana. Soa ihany fa efa fantatr’i Jesoa Kristy izany, soa ihany fa fantany fa mbola malemy ny finoantsika.

Na izany aza anefa, manome antsika oha-piainana Izy ho vahaolana manoloana izany, koa voalohany amin’izany dia ny hoe : "miombona mandrakariva hatrany amin’Andriamanitra Ray, amin’izay tsy hanirery ianao" ; faharoa manaraka izany, aza misaraka velively amin’i Jesoa Kristy fa tsy maintsy mandresy mandrakariva izay manaraka Azy.

Antsoina noho izany àry isika mba hirotsaka amin’ny fitiavam-bavaka, amin’ny fanaovana asa soa ary indrindra amin’ny fanatonana ireo sakramenta, fa izany no ahafahantsika hanamafy ny fiombonantsika amin’Andriamanitra Ray sy ny fifikirantsika amin’i Jesoa Kristy.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...