Talata 31 mey 2022 — Famangian'i Masina Maria — Sambatra ianao, ry Maria Virjiny satria nino fa ho tanteraka izay nampilazain'ny Tompo taminao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-56

Mankalaza ny famangian’i Masina Maria an’i Elizabeta isika anio. Manoro antsika ireo toetra tokony hananantsika eo am-pitoriana ny Vaovao Mahafaly i Masina Maria eto. Na dia tsy manana fotoana firy handalinana ny Evanjely manontolo aza isika dia tiako ny maneho aminareo toetra vitsivitsy nasehon’i Masina Maria.

Matoanteny milaza fandehanana no anombohan’i Masindahy Lioka evanjelista azy : "Niainga i Maria tamin’izany andro izany". Hafatra roa no fonosin’io fehezan-teny io ka ny voalohany amin’izany dia ny hoe "tsy namela an’i Masia Maria hipetraka velively ny fihaonany amin’Andriamanitra ; tsy zony hokoboniny samirery ilay Vaovao Mahafaly vao henony teo fa tiany hozaraina amin’ny hafa ihany koa, ka i Elizabeta no tonga tao an-tsainy voalohany, izany hoe ilay namany akaiky azy indrindra". Hafatra faharoa manaraka izany dia izao : tsy nangataka andro akory ny hanatanteraka ilay iraka hitondra an’i Kristy eto amin’izao tontolo izao izy rehefa avy nanaiky ho Renin’Andriamanitra sy ho mpanompony.

Nandeha faingana izy teo am-panatanterahana an’izany iraka izany. Ao raha matoa nandeha faingana izy ary tsy maintsy olona baikon’ny fitiavana, atosiky ny faniriana mivaivay na koa manana hafanam-po no handeha haingana. Tokony hatosiky ny fitiavana ihany koa isika eo am-panatanterahana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly.

Manaraka izany, tsy mba làlana mideza ny làlana diavin’i Masina Maria fa indraindray mila miakatra ny tendrombohitra avy eo mila midina ihany koa. Toy izany ny làlana hodiavintsika eo am-pitoriana ny Vaovao Mahafaly : indraindray hankalazain’olona, hisaorana fa matetika ihany koa tsy horaharahainy, halaim-baraka.

Farany : "Niditra tao an-tranon’i Zakaria i Masina Maria dia niarahaba an’i Elizabeta". ny fihaonana amin’ireo olona hiantefan’ny Vaovao Mahafaly no tanjon’ny dia ; ary mila miditra ao amin’ny fiainany isika fa izany no hahafahantsika mitory an’i Kristy amin’izy ireo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...