Alahady 19 jona 2022 — Ny Vatana aman-dRa Masin'i Kristy — Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo, izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 11b-17

Mankalaza ny Vatana aman-dRà Masin’ i Jesoa ny Eglizy anio. Vatana sy Rà izay maka endrika mofo sy divay. Ny Evanjely anio anefa dia mitantara ny fampitomboana ny mofo, izay nataon’i Jesoa mba hanambarany ny Eokaristia.

Mahafantatra ny hanoanana mianjady ho an’izay manara-dia Azy i Jesoa ka niantra azy ireo. Tsy tiany anefa ny miasa irery ka nangataka ireo mpianany izy mba hikarakara azy ireo. Mofo dimy sy hazandrano roa anefa no misy ho an’ireo vahoaka maro izay tonga teo. Niainga tamin’ireo zavatra kely ireo i Jesoa tamin’ny fampitomboana izay nataony. Famantarana izay nialohavana vavaka sy fitsofan-drano an’ireo mofo sy hazandrano nampitomboina, izay vao novakiana sy nozaraina tamin’ny vahoaka. Mampianatra antsika Izy eto mba tsy hiandry hanana ny ampy sy zavatra maro vao mahalala hanolotra ho an’Andriamanitra sy hizara ho an’ny namana. Fa izay misy eo am-pelatanana no entina am-pinoana mba ho tonga asa soa lehibe.

Ny famakiana sy ny fizarana ny mofo eto dia mampahatsiahy antsika ny Eokaristia misy ny vatana aman-dRà masin’i Jesoa izay hankalazaintsika anio. Tsy sakafo ara-batana fotsiny izy io fa indrindra sakafo ara-panahy izay antoky ny fiainana sy ny famonjena. Ny Eglizy tokoa mantsy no manohy sy mandavorary ny Eokaristia ankehitriny. Izy no mampiombona antsika kristianina izay mandrafitra indrindra ny fianakaviam-ben’Andriamanitra.

Tompo ô, enga anie mba hisy vokany eo amin’ny fiainanay manontolo ny Eokaristia Masina izay hankalazainay. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 31 mey 2024

♦ Nankalazaina ny 30 mey 2024, ny fetin'ny Seminera Zokiny arovan'i Masindahy Paul VI, ao amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Hankalazaina ny 9 jona 2024, ao amin'ny EKAR Trinite Masina Mangasoavina, ny andron'ny vehivavy katôlika... ♦ Nandritra ny fampianarana tamin'ny Audience générale ny alarobia 29 mey 2024, no nanentanan'ny Papa François ny kristianina rehetra, mba hanao ho lohalaharana ny hafaliana hibanjina, izay vao ny hafaliana hanana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...