Alarobia 22 jona 2022 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’ny olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 15-20

Nampitandrina antsika i Jesoa eto, amin’ireo mpaminany sandoka. Izy ireo izay miseho ho irak’Andriamanitra nefa dia miteny amin’ny alalan’ny tenany. Miseho ho tena mpitarika sy kristianina ihany ko izy ireo nefa dia ny hanapotika izany no tanjony.

Matetika isika dia mandre fa misy olona nahazo hafatra avy any an-danitra na nisehoan’i Jesoa na nahita fahitana taminy. Ity Evanjely ity dia manasa antsika indrindra amin’ireny tranga ireny mba ho mailo sy hahay handanjalanja. Rehafa tsy mifanaraka amin’ny Evanjely sy ny fampianaran’ny Eglizy ny ambaran’izy ireny dia azo lazaina fa fitaka sy lainga avokoa.

Ary i Jesoa efa niteny : "Tsy izay miantso hoe : Tompoko, Tompoko no tena mpianatro, fa ireo manatanteraka ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra" (Mt 7, 21).

Noho izany, aoka ary isika tsy ho sodoka amin’ny teny tsara lahatra fa hita amin’ny asany eny foana izy ireo. Mila mifototra amin’ny Evanjely sy izay ampianarin’ny Eglizy àry isika, mba tsy ho voarebirebin’izy ireo.

Tompo ô, aza avela hivily amin’ny lalanao izahay. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...