Alakamisy 06 febroary 2020 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 6-13 — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin'ny lalanao.

0 : 00

Eto amin’ity Evanjely ity no manomboka ny fifandraisan’i Kristy sy ny mpianany. Miantso ny roa ambin’ny folo lahy Izy hifampizara amin’izy ireo ny asa nanirahana Azy dia “ny hitory ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny hanasitrana ny aretina mbanin’ny rofy rehetra”.

Mba hanahafan’izy ireo an’i Kristy, nanao laharam-pahamehana ny asa anirahana Azy, no tsy maintsy hanarahan’izy ireo ny toromarika omeny: ho olon’afaka tanteraka, tsy hiakin-doha na ho voafatopatotry ny zavatra hafa, hanana ny toe-tsaina misionera ka ho vonona mandrakariva handeha any amin’ny toerana anirahana, hanao vaindohan-draharaha ny asa anirahna ary tsy ho kivy manoloana ny tsy fandraisan’ny olona na ny toerana nanirahana.

Jesoa ô, miantsoa Apôstôly miaina sy manatanteraka hatrany ireo toromarika omenao, hitafy fahantrana ka tsy hatoky afa-tsy ny herinao, izay harena ambony indrindra ka hanao izay handrenesana hatrany ny Teninao sy hizarz ny Fitiavanao amin’ny olona rehetra.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...