Alatsinainy 25 jolay 2022 — Masindahy Jakôba, Apôstôly — Izaho no nifidy anareo tao amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hamokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 20, 20-28

Ry havana, mankalaza an’i Masindahy Jakôba Apôstôly ny Eglizy rehefa 25 jolay. Ilay zanak’i Zebede sy Salome, rahalahin’i Joany, na koa i Jakôba zokiny ity ankalazaina anio. Ireto Apôstôly rehetra moa rehefa naheno ny fanambaran’i Jesoa ny fijaliany sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany ho velona dia samy nitady hirika hahavonjy ny tenany ; samy niady varotra ho eo anilan’i Jesoa any an-danitra. Samy mangetaheta famonjena tahaka izany daholo ny olona ka hanora-tena ho mendrika noho ny hafa, na hihanta fitia. Fitokisana an’i Jesoa mora fo ve izany ?

Mazava ny valin-tenin’i Jesoa : tsy misy famonjena moramora, tsy misy hasambarana tonga ho azy. Tsy maintsy miaritra hazofijaliana zoma masina vao misy Paka fitsanganana ; tahaka an’i Jesoa mihitsy : nijaly sy maty nankany amin’ny fitsanganan-ko velona. Hafaran’i Jesoa Kristy mihitsy izay te hanaraka Azy, hitondra ny hazofijaliany isan’andro. Modely amin’izany fitondrana ny hazofijaliana sy fanarahana an’i Jesoa izany ny Apôstôly. I Masindahy Jakôba ankalazaina anio no voalohany nalatsa-dra noho ny Evanjely.

Tsy araka an’izao tontolo izao ny Fanjakan’Andriamanitra. Mivadika ny rasa : iza no lehibe ? Izay manaiky ho kely. Iza no ambony ? Izay manaiky ho ambany. Iza no tompo ? Izay manompo. I Jesoa no modely : nialany ny voninahitra maha Andriamanitra azy dia nidina farany ambany nanompo ny olombelona izy. Tsarovintsika ny tenin’ny Papa Fransoa indray andro hoe : izay mandà ny lakroa dia mandà ny fitsanganan-ko velona ; izay manaiky ny lakroa dia mandray ny famonjena. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...