Sabotsy 30 jolay 2022 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 14, 1-12

Ry kristianina havana, toherin’ny olona mandrakariva ny mpaminany satria manohintohina ny tombon-tsoa sy mamotsipotsitra ny fahotana. Tsy zakan’ny mpanota manko ny marina. I Joany Batista, ilay tsipi-panohizan’ny Testamenta Taloha sy Vaovao dia fanapahan-doha koa no niafarany. Nandrara an’i Heroda mpanjaka tsy haka ny vadin-drahalahiny izy ka nanamparan’ny mpanjaka ny fahefany. Fambara mialoha ny hiafaran’i Jesoa ny niafaran’i Joany Batista. I Jesoa no faratampony amin’ny hoe voaheloka nitory ny Fahamarinan’Andriamanitra. Isika mpianany koa dia tsy anafenana izany fa miomana amin’ny tsy fahombiazana, amin’ny tsy finoan’ny olona, amin’ny fanenjehana. Efa endrika isehoany ireny takoritsiky ny olona sy fandrabirabiana antsika ireny.

Hanatsoahantsika lesona enti-miaina mihitsy ity fanapaha-kevitr’i Heroda mpanjaka ity : aoka tsy hampanantena raha anaty hafaliana ; tahotry ny ho afa-baraka na hena-maso amin’ny olona dia mamono mahafaty olona mihitsy. Mila fehezina ny fihetseham-po.

Ny tantaran’ireo maritiry nahafoy ny rany alatsaka noho i Kristy dia manambara amintsika fa mendrika ahafoizana ny zavatra rehetra ny Fanjakan’Andriamanitra, eny fa na dia ny aina aza. Nijoro hatramin’ny farany ireo maritiry nampijoro ny Fanjakan’Andriamanitra satria izany no famonjena ny tena sy ny hafa. Tsy raraka an-tany akory fa mamokatra hatrany amin’ny fiainana mandrakizay. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...