Alahady 14 aogositra 2022 — Alahady faharoapolo mandavantaona — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 49-53

Hanao batemy ny olombelona amin’ny Fanahy sy afo no nahatongavan’i Jesoa Kristy eto an-tany araka ny voalazain’ny Evanjely anio. Tsy maintsy mandalo ny fijaliana anefa Izy mialoha ny handraisany an’io Fanahy izay hozarainy amintsika olombelona io.

Lazain’ny Evanjely fa tsy andrin’i Kristy akory ary iriny mafy ny hahatanterahan’izany sitrapon’Andriamanitra izany eo amin’ny fiainany. Vonona Izy ny hiatrika ilay batemin’ny fijaliana, vonona Izy ny hisotro ilay Kalisy ary maniry fatratra ny hahatongavan’izany fotoana hanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra izany.

Hisy vokany eo amintsika mpianany izany fomba fiainan’i Jesoa Kristy, ilay nosafidintsika harahana, izany satria hanadio sy hanova ny fiainantsika ilay afo na ilay Fanahy Masina hanaovan’i Jesoa Kristy batemy antsika ka lasa marina sy masina isika manoloana ireo tsy mety manaraka an’i Kristy ; ho lasa ivon’ny fiainantsika i Kristy manomboka hatreo. Azo heverina fa hiteraka fisarahana eo anivon’ny fianakaviana sy eo amin’ny fiaraha-monina ny fanarahan-dia an’i Kristy ka izany indrindra no ampitandremany antsika dieny izao. Mila manana fahavononana tahaka an’i Kristy isika eo am-panatanterahana ny sitrapon’ny Ray eo amin’ny fiainana andavanandro fa izany no hahafahantsika mamonjy ny hafa sy ny tenantsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...