Alarobia 17 aogositra 2022 — Herinandro faharopolo mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsarànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 20, 1-16

Fanoharana mahakasika an’ireo mpiasa nalefa tany an-tanim-boaloboka no tantarain’ny Evanjely anio. Ambaran’io fanoharana io fa be famindram-po sy fatra-pitia ny olombelona tsy ankanavaka Andriamanitra. Noraisiny avokoa ireo olona vonona ny hiara-miasa aminy ary nomeny valin-kasasarana mitovy avokoa.

Tsy fanajana ny rariny sy ny hitsiny izany hoy iretsy efa niasa taloha ; miangatra Andriamanitra hoy ireo vita batemy taloha satria mampitovy ny tsy mitovy izy. Fa iza marina moa no manaraka ny rariny sy ny hitsiny eto ?

Ilay mpampiasa izay nampitovy ny karaman’ny mpiasany na dia tsy niaraka nanomboka ny asa izy ireo sa ireo mpiasa efa niasa hatramin’ny ela izay nampitoviany karama tamin’ilay tonga tamin’ny 11 ora antoandro ?

Hampiova ny valim-panontiana izany raha toa ka hosolointsika hoe famonjena ilay karama azon’ireto mpiasa. Koa amin’izany sady fanomezana maimaim-poana ny famonjena no sady tsy misy voavonjy kely na voavonjy kokoa noho ny hafa. Ireto mpiasa velom-pialonana dia ireo mihevitra fa vokatry ny hasasarana irery ihany izay atao isan’andro ny famonjena ka izay mahavita an’izany ezaka lehibe ihany no manatombo. Hadino manomboka hatreo ny maha fanomezan’Andriamanitra ny famonjena.

Farany, ny hahavoavonjy ny olombelona rehetra no tian’Andriamanitra fa tsy antoko vitsivitsy fotsiny, koa raha zanany isika dia mila manana fivelaran-tsaina, fisokafan’ny fo, izany hoe ho faly amin’ny famonjen’Andriamanitra ny hafa izay samy zanak’Andriamanitra tahaka antsika ihany koa na inona na inona ny firazanany, na inona na inona ny toetrany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...