Zoma 19 aogositra 2022 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra Lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 34-40

Ny didy lehibe indrindra indray no sakafo aroson’i Jesoa ho antsika anio. Ny fitiavana an’Andriamanitra no didy lehibe indrindra ; mila mitia azy amin’ny fiainana manontolo fa tsy fitia imolotra fotsiny. Didy lehibe indrindra no sady voalohany indrindra io fitiavana an’Andriamanitra io satria ny votoatiny no mahatonga azy ho lehibe indrindra amin’ny didy rehetra ary voalohany satria tsy misy heviny ireo didy hafa raha tsy misy azy.

Ny fitiava-namana no didy faharoa sady tahaka an’io didy voalohany io ihany ; izany hoe tsy azo sarahana amin’ny fitiavana an’Andriamanitra ny fitiava-namana satria endrika anehoana ny fitiavana an’Andriamanitra ny fitiava-namana, koa tsy afaka hitia an’Andriamanitra isika raha tsy mitia ny namantsika. Ahoana àry no hahaizana mitia ny namana ?

Mazàna ny fitiavana ny hafa no famantarana ahalalana manokana ny atao hoe kristianina, ary amin’ny alalan’ny fanampiana ny hafa no heverin’ny kristinina no endrik’izany fitiavana izany, famangiana, fanomezana sakafo azy ireo, izany hoe ireo asa fiantrana ny namana… raha ny tena marina vokatry ny fitiavana ireny fihetsika sy asa fiantrana fanaontsika ireny. Mila mitia ao am-po ny hafa isika alohan’ny hanehoana ireo fihetsika sy asa fiantrana voalaza teo aloha ireo ; izany hoe mila miainga avy amin’ny faniriana sy ny fikatsahana ny soa ho azy. Mila manana ny fomba fijerin’i Kristy isika raha te ho tonga amin’izany, hoy ny Papa Benoît XVI, satria afaka manome betsaka lavitra noho ny asa fiantrana atao izany fomba fijery izany. Betsaka ireo fomba fijery nampiavaka an’i Jesoa ao anatin’ny Evanjely azontsika alain-tahaka : ny fijeriny an’ilay vehivavy tratra nijangajanga ka tsy namerina intsony ny fombany ; ny fijeriny an’i Piera ilay namadika Azy ka nampahatonga an’ity farany hibebaka sy hanenina tamin’ny nataony…

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...