Zoma 2 septambra 2022 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 33-39

Rentsika teo fa tsy zava-baovao teo amin’ny Jody akory ny mifady hanina sy ny mivavaka fa efa fanao. Fa i Jesoa kosa no manazava sy mampianatra antsika ny heviny sy ny ambarany ary ny kendreny. Fomba iainana ny finoana an’Andriamanitra ny mifady hanina sy mivavaka, ka tsy atao fahazarana fotsiny.

Ny fifadian-kanina dia famolahan-tena hiadiana amin’ny ratsy, hangetaheta an’Andriamanitra sy hanaiky hofenoiny. Toetry ny olona matsiaro ho lavitry ny tiana raha adika tsotra, anehoana alahelo noho ny fisarahana. Izany hoe : toetry ny mpanota mibaboka amin’ny hadisoany, mangetaheta fihavanana. Io no antony mahatonga ny mpianatr'i Kristy tsy mba mifady hanina ; miara-dalana sy miara-mitoetra amin'izy ireo mandrakariva i Kristy, ilay Mpampakatra, ka hafaliana lalandava no aterak'izany. Io iainan’ny mpianatr'i Kristy io no ilay hafaliana omena antsika mandray ny indrafon’Andriamanitra, hafaliana vokatr'ireo fahasoavana azo ary mariky ny fiainam-baovao ao amin’Andriamanitra.

Ny vavaka indray dia fitodihana tanteraka amin’Andriamanitra sy fandraisana Azy eo amin’ny fiainana manontolo. Ka tsy teny atao fotsiny, ny vavaka, fa fiainana feno an’Andriamanitra, fiainana anjakan’Andriamanitra, mikatsaka mandrakariva ny sitra-pony. Tao amin'i Kristy no tanteraka sy lavorary io atao hoe vavaka io. Ary nampianariny ny mpianany mba hiainan'izy ireo toy ny nataony. Mazava araka izany fa tsy zavatra fanao eto ivelany, toy ny fanaon’ny sasany ny vavaka nampianarin'i Kristy fa fiainana anaty, miombona tanteraka amin’Andriamanitra.

Ny iainantsika araka an’Andriamanitra ireo fomba roa ireo no fampianaran'i Kristy amin'ity Evanjely ity, fampianarana mandavorary ny fomba taloha, mba hipetraka sy hifanaraka amin’ny maha izy azy ny ataontsika eo anatrehan’Andriamanitra. Fomba vaovao maneho ny maha kristianina antsika ireny, ilana toe-po sy toe-tsaina vaovao. Enga anie izay nampianarin'i Kristy sy niainany no tanterahintsika sy iainantsika koa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...