Alakamisy 8 septambra 2022 — Ny nahaterahan'i Masina Maria Virjiny — Sambatra ianao, ry Masina Maria Virjiny, tena mendrika tokoa ny fanajana rehetra, satria tao aminao no nipoiran’ilay Masoandrom-pahamarinana: dia i Kristy Andriamanitsika — Evanjely Masina nosoratan'i Mansindahy Matio 1, 1-16. 18-23

Filazana ny razan’i Jesoa Kristy, Zanak’i Davida, Zanak’i Abrahama: I Abrahama niteraka an’i Isaaka; i Isaaka niteraka an’i Jakôba; i Jakôba niteraka an’i Jodà mirahalahy avy; i Jodà niteraka an’i Faresa sy i Zarà tamin’i Tamara; i Faresa niteraka an’i Esrôna; i Esrôna niteraka an’i Arama; i Arama niteraka an’i Aminadaba; i Aminadaba niteraka an’i Naasôna; i Naasôna niteraka an’i Salmôna; i Salmôna niteraka an’i Bôôza tamin’i Rahaba; i Bôôza niteraka an’i Obeda tamin’i Rota; i Obeda niteraka an’i Jese; i Jese niteraka an’i Davida mpanjaka; i Davida niteraka an’i Salômôna tamin’ilay vadin’i Oria; i Salômôna niteraka an’i Rôbôama; i Rôbôama niteraka an’i Asà; i Asà niteraka an’i Jôsafata; i Jôsafata niteraka an’i Jôrama; i Jôrama niteraka an’i Oziasa; i Oziasa niteraka an’i Jôatama; i Jôatama niteraka an’i Akaza; i Akaza niteraka an’i Ezekiasa; i Ezekiasa niteraka an’i Manase; i Manase niteraka an’i Amôna; i Amôna niteraka an’i Jôsiasa; i Jôsiasa niteraka an’i Jekôniasa mirahalahy avy, tamin’ny andro nifindrana tany Babilôna. Ary rahefa nifindra tany Babilôna, i Jekôniasa niteraka an’i Salatiela; i Salatiela niteraka an’i Zôrôbabela; i Zôrôbabela niteraka an’i Abioda; i Abioda niteraka an’i Eliakima; i Eliakima niteraka an’i Azôra; i Azôra niteraka an’i Sadôka; i Sadôka niteraka an’i Akima; i Akima niteraka an’i Elioda; i Elioda niteraka an’i Eleazara; i Eleazara niteraka an’i Matàna; i Matàna niteraka an’i Jakôba; ary i Jakôba niteraka an’i Jôsefa vadin’i Maria izay niteraka an’i Jesoa, ilay natao hoe i Kristy.

Ary toy izao no nahaterahan’i Kristy: i Maria reniny dia efa fofom-badin’i Jôsefa; fa raha mbola tsy niray trano izy ireo, dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy. Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina, sady tsy ta-hanala baràka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. Nefa raha mbola nieritreritra izany izy, indro ny anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy, ka nanao hoe: "Ry Jôsefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina ary hiteraka Zazalahy izy, ka ny anarany hataonao hoe Jesoa, fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany." Ary izany rehetra izany no tonga, dia mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe: "Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe amintsika Andriamanitra."

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...