08 septambra — Heverina fa ny Fiangonana tao Jerosalema no nanaja sy nahatsiaro voalohany ny nahaterahan’i Masina Maria Virjiny izay nankalazaina tao amin’ny bazilika ao amin’io toerana nahatrerahan’i Masina Maria Virjiny. Ny toritenin’i André de Crête dia milazalaza ny momba ny nahaterahan’i Maria Virjiny.

Io toriteny io dia maneho ny fahasamihafan’i Maria amin’ny vehivavy hafa : “Ankehitriny dia hisy tovovavy virjiny hivoaka amin’i Joda sy i David, mitondra ny famantarana ny fanjakana sy ny fisoronana avy amin’izay nandray ny soron’i Aaraona araka ny lalan’i Melkisedeka”. Izay ilay toriteny tamin’izany. Any Roma dia ao amin’ny bazilikan’i André ny fankalazana io fety io, manao ny vavaka mandeha miala ao amin’ny bazilikan’i Masindahy André, ary mankany amin’ny bazilika Sainte Marie Majeur. Ny bokim-pivavahana katôlika dia mametraka ny hira ao amin’io fankalazana io mitovy amin’ny hira fankalazana an’i Masina Maria nampiakarina any an-danitra. Ao amin’ny boky “Histoire des mystères et des fête” no hitantaran’ny papa Benoît XIV fa isan-taona isaky ny 08 septambra dia misy mpanirery naheno hira avy any an-danitra. Rehefa niresaka tamin’Andriamanitra io mpanirery io, ny anton’izany, dia novaliany hoe fahatsiarovana ny nahaterahan’i Maria Virjiny izany, izay ankalazaina any an-danitra ary nilaza io fa teraka ho an’ny olombelona i Maria ary tokony hankalaza izany ny ety an-tany. Dia nankany amin’ny papa ilay mpanirery nitantara io fahitana io ka nanapa-kevitra ny papa fa asiana ny fety fankalazana ny nahaterahan’i Masina Maria Virjiny.

Any France ny fety nahaterahan’i Maria Virjiny dia efa hatramin’ny ela no nitondra ny anarana hoe Notre-Dame d’Angevine. Io moa dia natao indrindra hampahatsiahy ny nisehoan’ny Virjiny Masina tamin’i Maurille evaka tao Angers taminy taona 430 teo akaikin’i Saint-Florent no nitrangan’izany fisehoana izany. Niangavy tamin’io eveka io ity vehivavy ity mba hametraka fotoana ho an’ny fankalazana ny nahaterahan’ny masina Maria Virjiny. Nanao izay tratran’ny heriny i Fulbert eveka tao Sartre mba hanely io fankalazana io amin’ny ilany avaratra tamin’ny nanjakan’ny mpanjaka Robert le Pieux. Ny alin’io fankalazana io nisy nandoro ny katedraly, rehefa naverina nahorina izany dia nampitondraina ny anarana hoe Nativité de Notre-Dame. Rehefa maty ny papa Celestin IV dia nampidirin’i Frédéric II am-ponja avokoa ny kardinaly mba tsy hivory anao ny conclave (ilay fotoana hifidianana ny papa). Nanao voady ireo kardinaly rehetra teo fa rehefa afaka soa aman-tsara amin’izany fonja izany dia hanoka herinandro ho fankalazana ny nahaterahan’i Masina Maria Virjiny. Vao afaka izy ireo dia nifidy an’i Innocent IV ary nanatanteraka io voady io tamin’ny Konsily voalohany tao Lyon ny taona 1245. I Gregoire XI dia nanao fiambenana masina tany Ananie amin’izany fankalazana izany.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...