Zoma 23 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo Andriamanitra ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 18-22

Fiainan'i Kristy mihitsy ny vavaka, ka raha misy tranga lehibe iray hiseho eo amin'ny fiainany, dia entiny am-bavaka mandrakariva izany. Eto àry, dia manomana ny mpianany fa tsy maintsy hijaly mafy izy, ary efa nentiny am-bavaka izany. Fantany sy hitany sahady izay trangam-piainana hihatra aminy ka ny mpianany eto no atsafainy sy omaniny hoe : "Ataon'ny vahoaka ho iza moa aho ? Ary ianareo kosa manao ahy ho iza ?" Fantany ihany anefa izay havalin'ny mpianatra azy, fa ilay trangam-piainana ho avy no tiany hambara. Te hanamafy ny finoan'ireto mpianany izy manoloana ity trangam-piainana ho avy aminy ity, ary ambarany ho tsiambaratelon'izy sy ny mpianany izany ka nandrarany azy ireo tsy hilazalaza aman'olona ny maha Kristin'Andriamanitra azy. Efa voasoratra teo amin'ny fiainan'i Kristy tokoa ny misterin'ny fijaliany sy ny fitsangany ho velona, hanamarihana ny fahatanterahany ny asam-pamonjena nanirahan'Andriamanitra Ray azy teto an-tany, ka tsy fiainana mahafinaritra araka ny fieritreretan'ny olombelona fotsiny ny fiainany fa misy tokoa ny fahoriana sy ny fijaliana lozantany. Io indrindra no nanatsafany ny mpianany hoe : "Ataon'ny vahoaka ho iza aho ?", satria ny vahoaka dia variana tamin'ny fahagagana nataony, ary nahatsiaro ho nahazo fahafinaretana mihitsy aza noho ny nataon'i Kristy. Ny mpianany anefa tsy tiany hijanona fotsiny amin'izay fahatsapan'ny vahoaka izay, fa tiany hibanjina ny fiainany manontolo, indrindra ny fijaliany sy ny fahafatesany. Toa izany koa àry isika kristianina, entin'i Kristy hiatrika ny fijaliantsika koa isika, tahaka ny nijaliany, fa tsy hihanona fotsiny amin'izay mahafinaritra, satria hoy i Kristy : "Izay te hanaraka ahy dia aoka hitondra ny hazofijaliany miaraka amiko".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...