Alarobia 12 ôktôbra 2022 — Jan Beyzym, Olontsambatra — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 40-45

Ry kristianina havana ; isaky ny 12 oktobra isika eto Madagasikara dia mankalaza an’i Mompera Jean Beyzym olontsambatra. Misiônera zezoita pôlôney izy. Nitsabo ireo marary no tena nanokanany ny fiainany, eny, hatramin’ny marary hoditra. Antananarivo sy Fianarantsoa no tena niasany.

Momba ny nanasitranana olona boka iray no ambaran’ny Evanjely. Fanambarana lehibe sady fihavaozana satria tsy mahazo mifanerasera amin’ny fiarahamonina ny boka fa ndrao mamindra ; atoka-monina ary tsy azo ifaneraserana koa. Narodan’i Jesoa izay rindrina mampisara-bazana sy manilikilika izay ; nekeny ny nohatonin’ilay boka : nahinjiny ny tanany ary notendreny ilay marary ka sitrana. Mila famonjena avy amintsika ny marary na inona aretiny, toy ny hoe mikarakara sy mamangy, miantso pretra hanosotra azy ireny satria tanan’Andriamanitra mitsotra ny tanan’ny pretra manome Sakramenta.

Na dia noraran’i Jesoa tsy hilaza momba an’i Jesoa sy ny nahasitrana azy aza ilay sitrana dia tsy tana fa notantarainy hatraiza hatraiza. Ny antony nandraran’i Jesoa tsy hatao malaza moa dia ny tsy handraisan’ny olona azy ho toy ny mpanao mazia na mpanao fahagagana fotsiny. Nihataka i Jesoa dia ny olona amin’izay no nanatona. Izay no tanjona hoe manatona an’i Jesoa amin’ny nahim-pony ny olona tsirairay. Hangetaheta ny fanasitranan’i Jesoa anie isika, hivavaka sy hikarakara ireo marary, homban’ny vavak’i Mompera Jean Beyzym, Olontsambatra. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...