Sabotsy 15 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 8-12

Fampianaran’i Kristy mihitsy eto ny tsy fivadihana satria izay mandà Azy dia holaviny koa amin’ny fitsarana farany. Fomba fitenin’ny olona ny hoe rehefa vita Kofirmasio dia tsy mahazo mivadi-pinoana intsony. Tsarovintsika tsara fa Batemy dia efa tsy azo ivadihana satria manisy marika tsy azo vonoina amin’ny fanahy sady asan’ny Fanahy Masina rahateo, ary tsy misy mihitsy hoe efa teraka, efa misy ka handeha handà hoe handeha tsy hisy aho. Adidy ny fitoriana sy fijoroana ho vavolombelon’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Ampianarin’ny Katesiszin’ny Fiangonana Katolika antsika ny atao hoe fahotana amin’ny Fanahy Masina dia ny manimbazimba ny asany toy ny Eglizy, ny Sakramenta, ny manidy fo, miziriziry, mikiry biby ka mandà tsy hibebaka. Satria i Jesoa manko tety an-tany dia niseho tamin’ny endrika tsotra loatra ka tsy takatry ny olona sy tsy nampoiziny ; ny Fanahy Masinakosa manohy ny asan’i Jesoa amin’ny fomba ambony kokoa ankehitriny ; niharihary nanomboka tamin’ny Pantekôty izany.

Io asan’ny Fanahy Masina ao am-pon’ny mpino io no isarihan’i Jesoa ny fandinihantsika : Fanahy maha zanaka, Fanahy manamasina, Fanahy mpankahery, Fanahy mpisolo vava. Antsoy isanandro ny Fanahy Masina hanavao antsika… Fanahy Masina, midîna ato anatinay, tsilovy amin’ny fahazavanao izahay ary ampireheto ao am-ponay ny fitiavana Anao. Amen.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...