Zoma 28 ôktôbra 2022 — Masindahy Simon sy Jude, Apôstôly — Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo ; ny antokon'ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, ry Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 12-19

Tamin’izany andro izany, i Jesoa lasa tany an-tendrombohitra mba hivavaka, ka nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina. Nony maraina ny andro dia niantso ny mpianany Izy ka nifidy roa ambin’ny folo lahy tamin’izy ireo, izay nomeny anarana hoe Apôstôly: dia i Simôna izay nataony hoe i Piera, sy i Andre rahalahiny, i Jakôba sy i Joany, i Filipo sy i Bartelemy, i Matio sy i Tômà, i Jakôba zanak’i Alfe, sy i Simôna izay atao hoe Zelôty, ary i Jodà rahalahin’i Jakôba, sy i Jodasy Iskariôta ilay namadika.

Dia niara-nidina tamin’izy ireo Izy ka nankeo amin’ny tany lemaka izay nijanonan’ny mpianany maro sy ny vahoaka betsaka avy tany Jodea rehetra sy Jerosalema, ary ny tanin’i Tira sy i Sidôna amoron-tsiraka, izay tonga teo mba hihaino Azy, sy mba hositraniny amin’ny aretiny: dia nositraniny izay nampijalian’ny fanahy maloto, ary nitady hanendry Azy ny vahoaka rehetra, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...