Alakamisy 3 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 1-10

Fanoharana momba ny famindram-pon’Andriamanitra no resahan’ny Evanjely anio. Ampianarin’ny Jesoa Kristy hahay hifaly, fa tsy hotafintohina velively manoloana ny fiverenan’ny mpanota amin’Andriamanitra isika. Mariky ny fitiavana marina izany satria fahatanterahan’ilay faniriantsika hikatsaka ny soa ho an’ny hafa eo amin’ny fiainana. Manana adidy hizara an’izany hafaliana izany amin’ny hafa ihany koa isika fa tsy sanatria hokobonina samirery.

Mila mibebaka ihany koa ianao raha sanatria ka manana fialonana noho ny soa azon’ny hafa, tahaka ny nahazo iretsy Farisianina sy mpanora-dàlana voalazan’ny Evanjely anio ity.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...